Edito

Haron-tabebaka


  • Alatsinainy 25 Aprily 2016

Lokalokan’ity governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier ity ny ady amin’ny hampanjakana ny tany tan-dalàna sy fanjakana tsara tantana,


 ny ady amin’ny fahalovana, ady amin’ny trafikana harem-pirenena. « Gouvernement de combat » no malaza, araka ny tenin’ny praiminisitra tamin’ny talata 12 aprily 2016, andron’ny famindram-pahefana nandraisany ny fahefana feno teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo. Vao miandoha anefa ity governemanta ity, dia mipoitra ny raharaha Air Madagascar. Mitaky ny hampiharana ny didim-pitsarana hiverenana amin’ny asany ireo mpitarika sendika efa-dahy nenjehin’ny minisitry ny fitaterana teo aloha, ho manao sabôtazy ny orinasa tamin’ny fitokonana nandritra ny nataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar mitaky ny zony. Tany Manakara, nampiaka-peo hisian’ny fitsinjarana ara-drariny ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM tany Vatovavy Fitovinany. Izao koa ny taksibe eny Itaosy, manambana hitokona noho ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo mpitandro ny filaminana sasany mitango vola ankitsirano amin’izy ireo, ary manasazy rehefa tsy mahazo. Isan’andro vaky no andrenesana fitarainan’ny olona amin’ny fibodoana ny tanin’izy ireo ataon’ny olom-panjakana. Ny tsy fandriampahalemana sy ny gaboraraka amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany manginy fotsiny. Ny governemanta no vaovao fa misy ny fitohizan-draharaham-panjakana, ka eo no mahatonga ny maro hilaza fa sao resaka haron-tabebaka izy ity, manoloana ireo trangan-javatra etsy sy eroa ireo. Efa tena leon’ny kobaka am-bava mantsy ny vahoaka ka mety hitroatra ihany ny farany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT