Edito

Hanova zavatra ny fahatongavan'i Deba


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Tsy resabe na honohono intsony fa tena ho avy amin'izay ny ny amiraly Didier Ratsiraka rehefa avy nanao sesitany ny tenany nandritra ny sivy taona sy efa-bolana tany Paris Frantsa.

 Farafahatarany ny alakamisy 24 novambra ho avy izao no ho tonga eto Antananarivo ny Deba sy ramatoa vadiny raha araka ny fanambaran'ity filoha teo aloha ity tamin'ireo mpikatroka Arema tsy mbola nivadika taminy ny faran'ny herinandro teo. Efa hatramin'ny 2010 moa no niandrasana ny fiverenan'ny deba, saingy izao izany vao ho tanteraka izy io. Tsy mbola vita ny fanarenana ny tranony ao Ambodiatafana saingy fantatra kosa fa efa misy trano maromaro, azony hisafidianana honenana vonjimaika eto Antananarivo sy ao Toamasina. Efa nampoizina ihany fa nisy dikany lehibe ny nahatongavan'i Xavier Ratsiraka, roa andro mialoha ny daty nahatsiarovana ny nahaterahan'i Didier Ratsiraka.

Midika avy hatrany ireny fa ao anatin'ny fanomanana farany amin'ny fiverenan'ny amiraly ireo mpiara-dia rehetra aminy ary nirahany hisava lalana azy ny zanany lahitokana. Azo antoka fa hanova zavatra maro amin'ny toe-draharaha politika eto sy ny famahana ny krizy ny fahatongavan'ny amiraly Ratsiraka. Efa nilaza izy fa manana vahaolana ho an'ny firenena ny tenany ary rehefa tonga eto Madagasikara vao manambara izany. Ny herinandro lasa teo ihany koa no nivoahan'ny vaovao ofisialy fa efa voaangona ilay vola 1 tapitrisa dolara nambaran'ny amiraly fa ilaina hanatanterahana ilay fihaonana an-tampon'ireo filohan'ny ankolafy efatra eto Antananarivo. Raha ny fahafantarana ity filoha teo aloha ity dia aorian'io fihaonana io izy vao hanaiky hanasonia ilay sori-dalana ary heverina fa hiaraka hanasonia aminy ihany koa Atoa isany Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Mafonja kokoa mantsy amin'izay ilay sori-dalana satria filoha am-perinasa sy ireo filoha telo nifandimby tato anatin'ny 36 taona no miara-manasonia azy.

Misy antony politika goavana ny tsy nanasoniavan'ny ankolafy Ratsiraka ny sori-dalana tamin'ny 17 septambra 2011, ary mbola misy antony politika lehibe koa matoa tsy tafatsangana tamin'ny alakamisy lasa teo ny governemanta fa mbola miandry. Fifandrifian-javatra fotsiny ve sa efa paikady politika voarafitra mialoha ny antony nangatahan'ny mpanohitra fanemorana herinandro ny fananganana io governemanta io ? Raha atao mantsy ny kajy tsotsotra dia aorian'ny fahatongavan'Atoa Didier Ratsiraka eto Madagasikara izany vao hatsangana indray ilay governemanta. Maro ny mahita fa izao vao tena tapi-dalan-kaleha ny filohan'ny FAT, Andry Rajoelina, ary tena mazava izao fa henjana ny traikefa politikan'ireo filoha teo aloha ary tsy voatohatry ny FAT na dia miezaka mafy ihany aza ny TGV sy ny UDR-C. Vao maika mahasarotra ny fanatanterahana ny paikadin'i Andry Rajoelina sy ny ekipany koa moa ny fahasosoran'ny olona noho ny fahasahiranana iainana isan'andro, be loatra ny fampanantenana saingy resabe ny ankamaroany. Ho mafonjafonja ihany arak'izany ny vaovao eo amin'ny sehatra politika amin'ity herinandro vaovao ity ary maro ny zavatra mety hiova!

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT