Hanakarem-baovao eo amin'ny lafiny ara-politika ity volana jona ity.
Anisan’ireny ny tsy maintsy hisian'ny fihaonan'Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Tanterahana maika mantsy izy io, araka ny fanirian'ny rehetra satria efa tena ela loatra ny krizy, ka any amin'ny filohan'ireto ankolafy roa ireto ny ampahany betsaka amin'ny vahaolana. Efa tandindon'ny fiverenan'ny filoha teo aloha an-tanindrazana ihany koa ity fihaonana ity, satria tsy maintsy hiafara amina fihaonana iray lehibe, hanasoniavana fifanarahana, ka rariny loatra raha eto Madagasikara no hanaovana izany, fa efa be loatra izay findramana tanin'olona natao tany ivelany izay.
Fa andrasana amin'ity volana jona ity ihany koa ny mety hiverenan'ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina eto Madagasikara. Valo volana teo ho eo moa izay no nitsaboana azy tany ivelany, tato anatin'ny iray volana izay dia efa nahoraka be fa tsy maintsy hody an-tanindrazana izy. Ny mampametra-panontaniana fotsiny dia ny hoe : hogadraina eny Antanimora ve sa eny Tsiafahy ity manamboninahitra ity ? Sa ambenana amin'ny toerana manokana rehefa tavaverina an-tanindrazana.
Ireo manamboninahitra sy miaramila niaraka taminy teny amin'ny BANI mantsy dia any am-ponja avokoa amin'izao fotoana manefa ny sazin'izy ireo. Nampiavaka ny kolonely Charles moa ny nanaovany ampamoaka momba ny fanonganam-panjakana natao tamin'ny 2009 sy ny famoahany tsiambaratelo momba ny raharaha 26 janoary sy 7 febroary. Hita fa tena nanelingelina olona maro ny zavatra nambaran'ity manamboninahitry ny CAPSAT ity, ary mazava be fa misimisy ihany ireo olona ho sahirana raha tafaverina eto Madagasikara izy. Maro no maminavina fa mety hanova zavatra amin'ny ho tohin'ny raharaham-pirenena, ny fahatongavan'i Marc Ravalomanana sy Charles Andrianasoavina eto Madagasikara satria samy mahalala zavatra maro momba ny raharaha 2009 izy ireo, no anisan'ireo olona tena atahoran'ny FAT fatratra ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.