Edito

Hanonofy hatramin’ny farany


  • Talata 26 Oktobra 2021

Nanome 3 andro ny tompon’andraikitra hitondrana vahaolana mikasika ny fisondrotry ny vidin’entana eny an-tsena ny filoham-pirenena ny volana aogositra.

 Nanonofy ny fidinan’izany avokoa ireo izay nino izany vahaolana izany saingy iaraha-mahalala hatramin’izao ny zava-misy. Mampikaikaika ny maro ny vidim-piainana. Afaka 3 andro koa, hoy hatrany ny fitondrana, volana vitsy lasa izay, dia hivaha amin’ny alalan’ny fahatongavan’ny entana ilaina an-davan’andro na PPN 20 sambo ny olan’ny vidim-piainana. Mbola samy miandry daholo indray. Manonofy izany ireo mino azy rehetra. Manonofy mahita kianja manara-penitra marobe, mahita kianja Barea manaitra maso sy toa tsara tarehy, mahita EPP manara-penitra izay mahasarika ny maso koa rehefa jerena ivelany kanefa ny fanadihadian-drizareo avy any dilambato izay nampiseho ny tao anatin’izy ireo dia naneho fa endrika ivelany ihany tokoa kay no betsaka aminy fa manahirana ihany ny mahita ny any anatiny. Manonofy aloha isika hatreto rehefa mahita ny endrika ivelan’ireo toerana lalovan’ny filoham-pirenena sy manam-pahefana hafa izay ahitana mponina mandray azy ireny amin’ny fomba hita ho tena makotrokotroka. Asa kosa na mbola hijanona any anaty nofy na hametraka ny tongotra hitehaka amin’ny tany amin’izay rehefa mahita ireo fitokonana marobe ataon’ny sehatra rehetra na miankina io na tsy miankina amin’ny fanjakana. Mitokona ny mpampianatra mpikaroka, mpianatra mpikaroka, mpandraharaha eny amin’ny oniversite. Mitokona ny mpiasan’ny fandintseranana hatramin’ny mpandanja fiara, eny, iza moa no nanampo fa hatramin’ny mpivaro-kazo dia ahiana ihany hitokona ihany? Asa hoe firy amintsika vahoaka no mametra-panontaniana hoe izany rehetra izany ve no vokatry ny filomana anaty nofy tao anatin’izay 3 taona sy tapany izay sa inona? Ny zava-misy izany izao dia maro ireo manontany hoe miantraika any anaty vilaninay ve izany rehetra izany? Misy koa ireo milaza hoe efa ela no nihohoka ny valinay. Samy entina milaza ny tsy fisiana isan-tokantrano daholo izany rehetra saingy samy andrasana daholo ankehitriny na ny mpitondra na ny olompirenena handray ny fepetra tena mifanaraka amin’ny zava-misy fa raha tsy izany dia hanonofy hatramin’ny farany eto isika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT