Kizarazara etsy, fitokatokanana eroa, fampantenana mitosaka na aiza na aiza aleha,…
Toy ny mbola ao anaty propagandy isika. Azo antoka fa hitohy satria misy ihany koa ireo tetikasa goavana nataon’ny fanjakana teo aloha mety ho vita ato ho ato, toy ny toby lehibe famokarana herinaratra any Sahahofika, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina,… Miezaka ny mametraka ny dian-tànany ny fanjakana ankehitriny, saingy ny manahirana dia ny hoe : mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy ve ny ankamaroan’ireo laharam-pahamehana eto ? Kianja manara-penitra handaniana an-jatony miliara, kianja masoandro niteraka lonilony, trano mijoalajoala,… Fandre matetika ny hoe : ho sangany indrindra aty Afrika, orinasa lehibe indrindra aty Afrika, orinasa lehibe indrindra aty Afrika,… Fa maninona raha mba ny sahaza sy mety amin’ny Malagasy no atao ? Amin’ny kisehoseho isika, dia efa tena sangany aty Afrika, fa raha ny ara-toekarena sy fiainana ara-tsosialin’ny Malagasy dia mbola any amin’ny rambony, ary mihemotra hatrany hatreto. Ara-politika aza moa, dia isika no maneho fa hanome lesona ho an’ny Afrikanina, raha raisina amin’ilay tenin’ny Filoha ny 06 septambra hoe : « Tsy any Côte d'Ivoire, Guinée ka hiezaka hijanona eo mandrakizay » manoloana ilay resaka nandeha fa hanalava ny fe-potoam-piasana. Ny tsy azo lavina angamba, dia mety sangany taty Afrika isika tamin’ny fanatosahana vola nakana fahefana vao tsy ela, na ny fanonganam-panjakana niteraka fahapotehana tsy roa aman-tany tany aloha? Ny seho ivelany, dia mety ho sangany aty Afrika isika, fa raha ny fiainam-bahoaka sy ny ara-toekarena dia toa miha rambony, ka sao sanatria mbola hataon’ny olona tsisy kalitao ihany amin’ity fomba fiasa mitovy ny tamin’ny tetezamita ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.