Edito

Hanome rariny ny jiolahy…


  • Alatsinainy 20 Mey 2019

Miditra amin’ny herinandro farany amin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka isika. Samy manana ny fomba heveriny fa maharesy lahatra azy, ka hisafidianany kandida iray ny olom-pirenena.

 

Na izany aza, tsy tara isika, raha izao no mbola mifanoro hevitra mba tsy hisian’ny nenina aoriana kely. Ny zavatra hita sy tsikaritra mantsy, dia toa isika Malagasy indray no mitady hanome rariny sy manolotra fahefana ho an’ny jiolahy sy mpambotry firenena. Maro amin’ireo kandida no manana dosie maloto, mijoro ho samaritana tsara fanahy amin’izao fotoana. Mizarazara zavatra na vola tsy mahavita taona, dia iny fa misy tokoa ny resy lahatra. Tsy mitsidika kely ao an-tsain’ny maro akory ny hoe mba vola avy aiza ? Madio sa maloto ? Ahoana ny fomba hanonerany an’ireny rehefa lany ? Maro amin’ireny ny mpamadika palitao lasa nialokaloka any anaty fitondrana satria matahotra ny hosaringotina tamin’ny afera. Am-polony maro no nanao io fomba io, ka ao ny mirotsaka ho kandida amin’ny alalan’ny vondrona tohanan’ny filoha, ao ny mandeha amin’ny anarany manokana. Toy ny tsy izy ireo ery ilay fanta-daza amin’ny aferana boaderozy, ao koa ny malaza ratsy amin’ny firaisana tsikombakomba amin’ny karana amin’ny famarotana tanindrazana, malaza amin’ny kolikoly avo lenta … Raha ny fihetsiny ivelany  dia tena olom-banona, olon’ny fiarahamonina kanefa amboadia mitafy hodi-janak’ondry ka sao ho jamban’izany isika ka hanome rariny jiolahy mihaja mpambotry tanindrazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT