Edito

Hanohy ny hadalana sa hihavana ?


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Manahirana, mampitaintaina, mahasosotra… Izany no valin-tenin’ny olon-tsotra raha anontaniana ny heviny momba ny toe-draharaha politika sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Tsapa fa efa tena leon’ny krizy ny olona, te hahita zava-baovao, efa te hiaina filaminana sy fitoniana, leo tanteraka ny adilahy politika sy ny lainga tsara lahatra. Tsy te hiherika intsony ireo mpanao politika tsy menatra ny mamadika palitao. Noho io antony io no mampangingina ny hetsika politika tato ho ato, efa manomboka mifantoka amin’ny fety koa moa ny sain’ny olona ka tsy te hivaky loha amin’ny kajikajy politika, intsony aloha. Na izany aza anefa fahadisoan-kevitra goavana ny fiheverana fa marin-toerana ny fitondrana Rajaonarimampianina ! Tsara sanjila araka ny fomba fiteny fotsiny izy ireo satria volana desambra izao ka milamina ho azy tsy mila lakrimôzenina ny olona, ny fety aloha izao no mahamaika ny rehetra mba hanalana azy kely fa efa tena mafy loatra ilay rotorotom-piainana isan’andro. Fotoana izao hanovana ny tsy mety, hanitsiana ny fomba fiasa nibirioka, raha tsy hoe dia efa tena tia ilay savorovoro sy gaboraraka mihitsy angamba izao fitondrana tsy maharesy lahatra ny vahoaka maro an’isa izao. Herintaona aty aorian’ny fifidianana dia efa mafonja be ny fanakianana ilay fitondrana, satria tsy misy ny asa mivaingana vita, tsy misy ny vola, an-taratasy fotsiny ilay fandaharanasa fampandrosana ny firenena fa tsy mbola fantatra akory na atao ihany na tsia. Ny resaka kolikoly amin’izany manginy fotsiny ka asa na mba hanaiky hihavana amin’ny hafa ihany na hanao be mokon-doha hitondra ny firenena hilentika any anaty lavaka !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT