Edito

Hanilika sa hampifandray ?


  • Alakamisy 24 Novambra 2016

« Varavarana mampifandray amin’ny any ivelany ve sa singam-panilikilihana ara-politika sy ara-kolontsaina eo amin’ny fiarahamonina ny teny frantsay eto Madagasikara ? ».


 Niadian-kevitra be tetsy Analakely io lohahevitra io omaly noho izao fandraisana ny frankofonia eto amintsika izao. Fa maninona tokoa moa no isan’ny teny fototra tao anatin’izany ny hoe “ara-politika sy ara-kolontsaina”? toy ny midika izany fa samy resy lahatra ireo nandray anjara fa ireo lafin-javatra roa ireo no zava-dehibe voalohany mampiodina ny raharaham-pirenena iray na dia ny lafiny toekarena aza no tena novoizina hatramin’izay. Tsy andeha araka ny tokony ho izy ny lafiny toekarena rehefa goragora ny politika satria izay no maha fitantanam-panjakana azy. Hirefarefa koa nefa izany rehefa mirefarefa ny kolontsaina satria io no hisarihana voalohany ireo mpizahantany sy rehefa vahiny ahitany ny maha izy azy antsika. Zava-mitranga hatramin’ny fahagola ary vao maika hita mirongatra hatramin’izao io famotehana ny kolontsaim-pirenena io ary dia zary toa resy lahatra mihitsy ny minisitera misahana azy ity tsy hampiharihary mazava ilay politikan’ny kolontsaina izay nodradradradrain’ireo mpanakanto ho aseho hatry ny ela. Isan’ny kolontsaina goavana maha firenena ny firenena ny teny ka dia anjarantsika tsirairay avy ny mamaly ny fanontaniana nipetraka teo manoloana ny fampiasantsika ny tenim-pirenentsika ankehitriny.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT