Edito

Handray andraikitra ?


  • Zoma 18 Novambra 2011

Hisy amin’ity anio ity ny fihaonan’ny fikambanan’ireo manamboninahitra misotro ronono.

 Voalaza fa eny Betongolo no hanatanterahana izany fihaonana izany. Tsy mbola mazava kosa anefa ny lahadinika saingy eritreretina fa misy ifandraisany betsaka amin’ny raharaham-pirenena ny fihaonana. Betsaka ihany mantsy ny resaka mandeha momba ny fololindahy tato ho ato izay. Nalaza ny mety hisian’ny fanonganam-panjakana ataon’ny miaramila, ka manamboninahitra jeneraly am-perinasa sy misotro ronono no nambaran’ny mpanao politika iray avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert fa atidoha mikotrika izany. Voalaza fa nisy ireo fivoriana maromaro natao teto Antananarivo sy ny manodidina ho fanomanana ity fanonganam-panjakana ity, saingy rehefa tena nodinihana moa dia tsy nisy ilay izy. Ny datin’ny 15 novambara mantsy no voatondro fa hoe hitrangan’izany.

Efa nampanao fanadihadiana ny CEMGAM ary nanamafy fa tsy mitombina io resaka io. Na izany aza anefa dia misy ny fomba fitenintsika malagasy manao hoe : « ny hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao raha », ary « ny vy tsy mikitrana irery ». Ekena tokoa fa maro be, tsy tambo isaina ireo tsaho sy honohono tao anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Misy amin’izy ireny no niniana aparitaka tsotra izao mba hanairana ny saim-bahoaka na hampihorohoroana, ao koa ny natao mba hanakorontanaa ny fitondrana sy hampikorapaka ireo tompon’andraikitra, ary misy kosa anefa ny ampahany marina tafiditra tao anatina zavatra efa nokasaina hotanterahana saingy tsy tody hatramin’ny farany. Tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany dia tsy mijanona amin’ny resaka eny an-kianja sy dinika ambony latabatra fotsiny ny politika fa miseho amin’ny endrika maro samihafa. Teto amintsika moa dia mazava be fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanaovana politika ireo be galona ao amin’ny foloalindahy, ka na hilaza ny mifanohitra amin’izany isan’andro aza ny jeneraly Ramakavelo dia tsy hampiova na inona na inona izany, satria efa nandray anjara nivantana tamin’ny fanonganana an’i Marc Ravalomanana tamin’ny 2009 ny andiana miaramila sy zandary notarihana manamboninahitra maromaro.

Sary miraikitra ao an-tsain’ny maro ny nitranga teny amin’ny Episcopat Antanimena ny tolakandron’ny 17 martsa 2009 ary sarotra kosehina. Tahaka izany koa ny fahitana ireo zandary sy miaramila mitam-basy niambina an’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Hatramin’ny 2009 no mankaty, dia nalaza ratsy ho mifandray be loatra amin’ny mpanao politika ny miaramila, ary voalaza mihitsy aza fa voavidim-bola koa. Tsy izy rehetra kosa anefa no manao toa izany, koa mety ho fanazavana tsara ny zava-misy marina no hihaonan’ireto manamboninahitra misotro ronono ireto eny Betongolo anio. Maro amin’izy ireo no efa nitana andraikitra goavana teto amin’ny firenena, vavolombelon’ny tantara ary voky traikefa amin’ny fitantanan-daharaham-panjakana, ka miandry ny maro hoe : inona no ho ambaran’ity vondron’ny manamboninahitra misotro ronono ity manoloana ny raharaham-pirenena sy ny krizy.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT