Edito

Hanarina sa hanarona ?


  • Alakamisy 17 Novambra 2016

« Raha tonga amin’ny frankofonia ny fampandrosoana, arahaba soa, arahaba tsara. Raha tsy tonga, mitohy ihany ny fampandrosoana ».

Volana vitsy izay no lasa nahenoana io teny io nivoaka tamin’ny vavan’ny filoham-pirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety nandritry ny fitsenana vahiny iray teny Ivato. Miha mazava ankehitriny io tenin’ny filoha io fa mety tsy hampandroso antsika ny frankofonia. Inona no antony ? Mety noho ilay fahantrana afenina amin’ny alalan’ny tsy famelana ireo mpitrongy vao homana hivoaboaka io. Maninona tokoa moa no mihatsaravelatsihy kanefa lazaina fa fifanakalozana ahitana tombontsoa no tanjona ? Ny fitondrana indray ve no mila ampianarina fa ny fifampitokisana dia teraka rehefa mendrika izany ny an-daniny sy ny an-kilany ? Ahoana no ahafahan’ny olona matoky anao raha mbola misy marina izay tokony ho fantany ka afeninao ? Ary raha ho hitany amin’ny ora tsy ampoizinao izany dia ahoana no mety ho fiantraikany ? Tsy mahagaga raha tsy mbola misy mpamatsy vola matoky antsika hatramin’izao satria ilay fahavononana hanarina ny firenena mihitsy no tsy misy fa ny seho ivelany hanarona ny fahantrana no be dia be. Hanarina sa hanarona ?

Mirija    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT