Edito

Hanao “miracle”


  • Alatsinainy 28 Desambra 2015

Ity no alatsinainy farany amin’ny taona 2015. Hafahafa ihany izany hoe andro fiandohan’ny herinandro nefa farany tsy hipody koa amin’ny taona.


 Andro telo sisa ihany koa no isaina dia hivalona any amin’ny varo-tsy mifody ny taona 2015. Asa na fifanojoan-javatra ihany koa fa dia hifarana afaka telo andro ihany koa ny fe-potoana 15 andro nomen’ny Tale jeneralin’ny SAMVA ny mponin’Antananarivo, handraofana ireo fako mameno daban-jaoridira eran’ny tanàna. Nampanantena ny SAMVA fa hampitombo isa ireo kamiao mpitatitra fako mihazo an’Andralanitra hampiasainy ary koa hampiditra fiarabe handraoka fako ka hampiditra izany mankao anaty kamiao. Ny zava-misy dia mivangongo etsy sy eroa ny fako, ary mila hanapaka lalana mihitsy amin’ny toerana sasany. Ny fako indray aza no lasa ambetin-dresaka amin’izao. Misy aza no efa alaim-panahy mihitsy hilaza hoe sao fa fanahy iniana avela eo aza itony fako itony, ka raha sanatria mipoitra ny valanaretina dia mba misy hangatahana vola any ivelany. Inona ary no hitranga ato anatin’ny telo andro, raha tsy hoe hanao “miracle” ny SAMVA ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT