Edito

Hanao inona eo fotsiny ?


  • Zoma 02 Jolay 2021

Tsy afaka ny hampiakatra ny fari-piainanao ny fanjakana, hoy ny tomponandraiki-panjakana iray izay rehefa nanontaniana ny vahaolana manoloana ny fiainam-pirenena ankehitriny.

Hanao inona eo fotsiny izany ny fanjakana na ny marimarina kokoa ny fitondram-panjakana raha tsy hametraka izany ho tanjona? Izay ve izany no antony hametrahana ho laharam-pahamehana ny fananganana fotodrafitrasa mirentirenty etsy sy eroa sy tsy ahitana taratra mihitsy ny tena toeran’ny resaka sosialim-bahoaka ao anatin’ny praograman’ity fitondrana ity? Tena marina tokoa fa tsy ny fanjakana no afaka hampiakatra fari-piainana, hoy ny mpamakafaka iray izay, fa ny fanjakana kosa no mametraka tontolo iainana ara-tsosialy, sy ara-toekarena ahafahan’ny vahoakany mampiakatra ny fari-piainany. Midika ihany kosa angamba izany fa tena adidin’ny fitondram-panjakana, izay zarina lazaina hoe fanjakana, voalohany ny manao izay hiakaran’ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy. Nofidiana hanatanteraka ny vina nampanantenainy ny fitondram-panjakana. Tsy lavina ihany koa saingy ny vina iray ve matoa neken’ny mpifidy dia heverina fa tsy hisy hidiran’ny fisondrotan’ny farim-piainany mihitsy. Mpifidy adala angamba no mifidy vina toy izany! Inoana rahateo fa mbola hanamarina mandra-pialany teo ny fitondram-panjakana fa lany ara-dalana tsy nisy tokony hampiahiahy ny mpitarika ny fitondrana ankehitriny izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana izany vina izany. Vokatra tsotra no sady azo fintinina amina fehezanteny fohy hatrany no andrasan’ny Malagasy hatramin’izay ao anatin’ny vinan’ireo efa nitondra sy mbola mitondra azy dia ny hoe “miantraika any amin’ny ati-vilaniny ny fandaharan’asan’ny mpitondrany”, izany hoe, afaka hampiakatra ny fari-piainany satria izay no hanakaramany ny mpitondra. Rehefa tsy hanao izay ny mpitondra dia mitovy amin’ny mpiasa amina orinasa na mpiasa an-trano tsy mahavita ny iraka hampanaovina azy ihany kanefa dia mahita fialana na fanazavana ny tsy mety ataony ary midongy hijanona amin’ny toerana hiasany hatrany.

J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT