Edito

Hanao atrikasa roa andro hanomanana fifidianana malalaka.


  • Zoma 26 Febroary 2010

Vonona handray ny fepetra ho fampiharana izay tenierana amin’izany. Hisokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra ny andrimpanjakana… Io indray ary ilay volan-kankafotr’i Andry Rajoelina.

 

Tsy vao izao no nampiantso na nampanao fivoriana na fihaonana na atrikasa misokatra ny tenany. Vao farany teo, ny 02 febroary 2010, dia nasaina nokarakarain’ny Médiature de la République teny amin’ny Centre de Conférence International Ivato ny kaonferansa mikasika ny fifidianana. Namaritra ny mpizaika tamin’izay fa amin’ny volana mey 2010 no hanatanterahana ny fifidianana. Koa satria miantso atrikasa vaovao indray i Andry Rajoelina, dia mibaboka izy na tsy niteny nivantana aza fa tsy ankatoavin’ny maro an’isa izay tapaka tamin’ny 02 febroary. Ao ambadik’izay dia mety hihemotra indray koa ny datim-pifidianana kendrena hatao amin’ny volana mey, na ny mpikabary aza tsy nanitsy mazava ny amin’izay fifidianana hatao. Ny amin’ny filazany fa vonona ny hisokatra amin’ny hery politika rehetra ny fitondrany dia mampahatsiaro ny filma efa nandeha raha nanavao ny governemantany i Monja Roindefo. Nipoapoaka ny filazana, fa ny teo ihany no teo. Tsy nankato izay voatsangana teo ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ka io no tonga amin’ny hoe Volalan-kankafotra ny an’i Andry Rajoelina, dia omaly tsy miova ihany.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT