Edito

Hanao amboletra indray hoe e ?


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Mifantoka hatrany any amin’ny fiandrasana izay ho valim-pifidianana ny sain’ny rehetra.

 

Efa ireny niaraha-nahalala ireny fa nisy ny nisioka sy efa nifety vao vita adiny telo monja ny fifidianana fa efa maharesy, hono. Io indray anefa fa toa tsy mahatoky valera, ka hisintaka amin’ny fanaraha-maso ny voka-pifidianana.  Samy mikirakira ny eny am-pelatanany ny kandida, saingy efa iaraha-mahalala fa misy ny vaomiera manokana manana ny fahefana feno sy eken’ny lalàna ny valiny havoakan’izy ireo, saingy tsy mahatoky, hono, ireo efa nilaza tena ho mpandresy. Ekena fa misy ny tsy fahatomombanana sy tsy fifampatokisana satria ny ahiahy tsy hihavanana. Mbola maro anefa ny dingana azo atao sy fitakiana ny mangarahara amin’ny alalan’ny fampitahana ny vokatra miainga amin’ny fitanana an-tsoratra ara-dalàna. Raha tena mahatsapa ho nanao lalao madio sy milaza ho mamim-bahoaka sy nofidian’ny ampahany betsaka amin’ny Malagasy tsy tokony hanan-tahotra e ! Misy mantsy nizara vola saingy toa tsy arakarak’izay ny vokatra azo, fa mbola mitaintaina fatratra sy toa mitady hanao didin’ny be sandry fa lany. Lojika sy azo heritreretina ny mety hisehoan’ny fanaovana amboletra haka fahefana satria efa nampanantena valim-babena ho an’ireo nanome volabe fa hoe handresy. Ho tapa-tenda eo raha tsy lany satria ny volan’olona tsy maintsy honerana, kanefa ny vokatra mitady haneno sahona. Raha sanatriavin’ny vava lany eo, dia mazava ho azy fa hitafy henatra hatrany satria tsy tena tiam-bahoaka fa nividy vahoaka na manana olona aza. Amin’ny maha mpandala ny demokrasia antsika na tsy tena mipetraka aza izany, izay filoha lany eo dia ho filohan’ny Malagasy, ka hirariana mba tena noho ny foto-kevitra sy ny faharesen-dahatra no hahalany azy fa tsy fahefana mifototra amin’ny lalao maloto sy fividianana safidim-bahoaka. Mila tony aloha ny rehetra na mafampana aza ny raharaha e !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT