Hanao ahoana

sy ho tonga hatraiza ?


  • Talata 22 Septambra 2026

Hitodika any Etazonia indray

izany ny mason’ny mpanara-baovao amin’izao fandraisana anjara voalohany ho an’ny Fitondrana fanavaozana tarihin’ny Kolonely Randrianirina Michael amin’ny Fivoriamben’ny ONU izao. Inona no sary mety hitranga ? Hanao ahoana ny fandraisana ? Inona ny vokatra mety ho azo ? Misy ny fenitra sy fepetra samihafa eo anivon’ny Firenena Mikambana, misy dikany sy lanja lehibe ny fandraisana anjara ho antsika, indrindra eo amin’ny lafiny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena. Ny endrika ivelany izany fa indrindrindra ny vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny fampandrosoana marolafy. Mbola misy dingana sy ezaka mety lavitra ezaka, saingy na izany na tsy izany dia zava-dehibe ny hoe asian’ny olona hajany isika sa sanatria mbola ho tratry ny hoe : « sans qualité » ? Raha tarafina amin’ny sary nitranga hatrizay sy ny fifandraisantsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena aloha dia mipetraka ny fanajana sy ny fanehoana fanohanana ireo dingana ara-politika sy fanavaozana aroson’i Madagasikara, saingy misy ihany koa ny fepetra tsy azo hihodivirana. Midika fa tsy afaka hiolonolona eto isika, saingy tsy afaka ny hiantehitra na handadilady lava eto. Miankina amintsika ny hampandroso na hampihemotra antsika, ka asa hoe : rahoviana vao tena ho voafaritra mazava ny dingana rehetra hatao sy ny ho vokatra azo refesina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena, politika, sosialy,… fa tsy sanatria hiodikodin-dava sy samy samy hanao izay kajikajy ara-politika metimety aminy eto ? Asa rahoviana ihany koa no tena ho sahy sy hijoro amin’ny lafiny fiandrianam-pirenena toy ny raharaha Nosy Malagasy fa tsy hifandrirarira lava eto ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

  • Hadihevitra tokony hafana!
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Hadihevitra tokony hafana,

Hijery ny tohiny
FTT