Hanao ahoana ny ho fiarafarany ?

Miha mivaona andro aman’alina ny


  • Talata 28 Janoary 2025

toetra amam-pihetsiky ny mpitondra Malagasy.

Mihazakazaka makany amin’ny fampanjakana hevitra sy fijery ary loko tokana, ka ny azy ihany no marina sy tsy maintsy ekena sy toavina, fa ny ankoatra izay fanakorontanana sy fanonganam-panjakana. Arakaraka ny tsy fanjariana sy fahapotehana mahazo ny Firenena no toa vao mainka mampanangam-bovona ny mpitondra tsy manaiky diso. Toriteny mety mahakitika ny zoron-damban’ny sasany aza anefa dia efa mampisafoaka ka mba tsapan’izy ireo ve ny fahasosoran’ny olona eo anatrehan’ireny kabary sy resaka hafahafa mbola mandranitra eo anatrehan’ny efa tsy fahombiazan’ny mpitondra ireny ? Vao mainka mandrangitra sy mihantsy mivantana na ankolaka, maneso, mandatsa, mandrahona,… Maneho fa matoky tena, tsy matahotra na inona na inona, afaka miteny izay tiana hotenenina, afaka mandrahona izay tiana horahonana. Hahomby hatramin’ny farany ve anefa ny herin’ny vola sy fahefana ? Tsy misy maniry ny hikorontanan’ny Firenena, saingy raha ny fanenjehana sy famotehana ny mpitondra hafa teto noho ny ambara fa jadona, ampihimamba,… dia asa hoe : tokony hangina sy hiezaka hanarona ny tsy fahombiazany ka hanenjika ny fahatarana sy ny lavaka mangitsokitsoky ny tsy fahaiza-mitantana ve ny mpitondra ankehitriny sa mbola tokony hihantsy ady ihany ? Efa zavatra hafa ary tsy misy hantenaina intsony rehefa ny mpitondra no lasa mpanamarin-tena sy mpihantsy ady eo anatrehan’ny tsy fahombiazany ka samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe : hanao ahoana re no hiafaran’izao fitondrana mpampijaly vahoaka izao e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT