Edito

Hanantena vahoaka reraka ?


  • Alarobia 12 Janoary 2022

Fahatapahan-jiro miha mafy. Fahatapahan-drano efa aman-taonany maro izao no nijaliana faritra maro na an-drenivohitra io na am-bala sy manamorona ranomasina rehetra any.

 Ny ety anivon-tany misy milahatra izany amin’ny 2 sy 3 maraina. Ny sasany aza efa hila ho lany amin’izany ny tontolo andro. Ny amin’ireo faritra sy ambanivohitra sasany moa dia efa zary tsy zava-baovao intsony izany kere sy faharitana loharano izany. Mihena ny famokarana. Midangana ny vidim-piainana. Na fisondrotan-karama 50% aza tsy ampy hanoherana izany, hoy ry zareo sendikan’ny mpiasa izay. Mazava ho azy fa izany mitambatambatra no manome ilay vahoaka tsy afa-mamokatra araka ny tokony ho izy intsony satria reraka. Ny fihetsiketsehan’ireo mpitondra azy nefa etsy ankilany tsy hita hoe tena hitondra vahaolana inona na vahaolana manao ahoana hatreto. Inona moa no antony tsy maintsy handehanana minisitry ny asa tanana na minisitry ny fizahantany tany Andekaleka tany. Ekena fa mipetraka ho tantara tokoa ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena tany an-toerana farany teo hoe satria 40 taona taty aorian’ny nitokanana ilay toerana saingy ilay antony nitsikerana ireo mpitondra teo aloha tsy nandalo tany mihitsy no dia tena mahagaga amin’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana. Fa angaha moa izy io mila hoe jerena isaky ny mihetsika na tsiditsidihana matetitetika dia mandeha ho azy tsy tapaka eo? Iarahantsika miaina mandrak’ankehitriny io izao ny vao maika mafy dia mafy ny fahamafisan’ilay olana. Ny filoham-pirenena ankehitriny na ireo teo alohany ve tekinisianina sa manam-pahaizana manokana momba ny angovo ka hoe tokony hitsiditsika any? Tena asan-drizareo angaha izany? Tsetsatsetsa tsy aritra ihany izany saingy heverina fa mifanohy amin’ilay resaka faharerahan’ny vahoaka Malagasy teo. Fampandrosoana inona moa no antenaina amin’izany vahoaka reraka izany? Ahoana no hahafahany hifanome tanana amin’ny mpitondra nefa ny hery enti-miatrika ny zava-misy aza tsy mitovy? Hanantena vahoaka reraka ve nefa ny fe-potoam-piasana ity efa hadiva hifarana?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT