Edito

Hanangana ady amin’ny vahoaka…


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Folo andro mialohan’ny fifidianana isika amin’izao fotoana izao. Miha mafana ny toe-draharaha, raha tarafina amin’ny resaka fampiasan-kery samihafa, toy io ataon’ireo efa nilaza azy ho matanjaka ka efa nahavita nanao amboletra naka fahefana tsy tamin’ny fomba ara-demokratika io, 9 taona lasa izay.

 

 

Toa efa mandindona an’i Madagasikara sahady amin’izao fotoana izao ny korontana ary toa efa manao don-tandroka ny sasany, fa raha tsy lany eo dia hirombo. Efa endriky ny tahotra sy ny hakanosana avokoa izany. Fa ny tena zava-misy ankoatra io, izay mety tsy ho takatry ny sarambabem-bahoaka dia ny politika avo lenta miainga sy kotrehina any ho any, izay azo tarafina amin’ny fihetsika sy ny ataon’ny kandida iray izay tena mampiahiahy sy tena andrasan’ny maro ny mety ho akony. Ny azo hamaritana azy aloha hatreto dia ny hoe: “misy raha avo lenta ao”, ary miketrika mafy iny olona iny sy ny ekipakipa matahotra ny ho very fihinanana rehefa mipetraka eto ny fanjakana tan-dalàna. Ny toromarika ho an’ny vahoaka fotsiny dia ny hoe: manefa ny adidy ary tsy tokony ho kivy, tsy ho jamban’ny fividianana ny safidiny, mila mailo, miaro ny safidy,… ary tena misikim-ponitra fa aim-pirenena sy ny ho avin’ny firenena no tandrovina ao anatin’ity fifidianana ity. Mety hisy mpomba an’iny kandida malaza ratsy iny mantsy afaka andro vitsy hilaza sy hirehareha, fa efa azony, hono, ny fandresena ary efa milamina ny kajikajy rehetra, ary efa manomboka misy tsiambaratelo mivoaka amin’izao. Dia iaraha-mahita eo ity raharaha manga ity, fa betsaka ny ho tapaka lalan-drà sy ho diso kajy eto noho ny fianteherana amin’ny volabe nafafy miampy ny kajikajy avo lenta kotrehina any ho any amin’izao ora sy fotoana izao. Dia hanangana ady amin’ny vahoaka, raha mihevitra fa hahomby mora foana ny kajikajy avo lenta sy famafazana vola tsy toko tsy forohana. Miandry isika e!!!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT