Handia herinandro vaovao indray ny fiainam-pirenena manomboka anio. Herinandro fahatelo amin’ny volana septambra ity, ary heverina fa hanan-tantara tokoa
. Eny, miankina amin’ny fandraisan’ny tsarairay azy anefa izany, na ho tantara tsara na ho tantara ratsy. Hanomboka rahampitso ary haharitra hadimiana any Fiaranantsoa ny Andro iraisam-pirenen’ny tanora katolika eto Madagasikara, fanao isan-telo taona. Mpizaika 25.000 no hifanaretsaka sy hiaina ny finoana mandritra izany. Hivaly amin’ity herinandro ity ny vokatra ofisialin’ny fifidianana Ben’ny tanàna natao tamin’ny 31 jolay 2015 tamin’ireo Kaominina 1695 manerana ny Nosy. Andrasana amin’ity herinandro ity koa ny valim-panadinana bakalôrea 2015 ho an’ny faritanin’Antananarivo. Eny Ankatso moa dia mety hanova zavatra ity herinandro ity taorian’ny filazan’ny mpianatra fa dia hanenjana amin’ny fitakiana hiverenana hianatra izy ireo. Ho an’ny Jirama indray dia hanomboka ny asany etsy Mandroseza manomboka amin’ity herinandro ity ihany koa ny orinasa amerikanina Symbion Power. Ny vahoaka mandritra izany dia samy manoratra ny tantarany, amin’ny fiatrehana ny fiainany andavanandro eny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.