Edito

Hanalabara-tena


  • Talata 08 Desambra 2015

Mampanahy ihany ny zava-misy tato ho ato izay ka mahatonga ny fanontaniana mipetraka hoe :

 


fa tena hotanterahana eto Madagasikara marina ve ilay fihaonana an-tampon’ny frankôfônia amin’ny novambra 2016 e ? Io fa mikatso ny fanitarana ny seranam-piaramanidina izay vavahady lehibe idirana eto Madagasikara ary tsy maintsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena tahaka ny hita any an-kafa raha handray fivoriana goavana. Mbola ankamantatra ihany koa ny fanorenana ny toerana honenan’ireo delegasionina an’arivony. Sa hasisika any amin’ireo hotely efa misy eto an-drenivohitra ihany ? Raha any amin’ny resaka fotodrafitrasa dia efa mikatso tahaka izany, ahoana ny fahaizana hampiantrano sy hitantana ilay fihaonambe ? Tena vitantsika ve ? Vitan’ny fitondram-panjakana ve ny mandrindra sy miantsoroka izany, kanefa ireo zavatra tena manahirana ny Malagasy aza toa ahitany vahaolana efa ho roa taona izao ? Iaraha-mahita ny fahantrana, ny loto, ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto sy ny tsy fisian’ny fitoniana politika. Sao lahy ka hanalabara-tena hitetateta hampiantrano vahiny kanefa ny ao an-trano aza mikorontana ambony ambany e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT