Edito

Hanakorontana indray hoe e ?


  • Zoma 19 Oktobra 2018

Hamarana ny herinandro faharoan’ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandida filoham-pirenena isika.

 

 

Efa somary hita taratra ihany ny herijikan’ny tsirairay, raha jerena ivelany, ary ireo kandida vaventy aloha no tena hita. Dia tena ahitan-javatra mihitsy satria misy ny miezaka mampiseho amin’ny fomba rehetra fa tena mahazaka olona, hono, ary ny fampitam-baovao aza ny an’ny sasany dia ezahina amboarina mihitsy ny sary hahafahana manao tsindry bokotra, fa mahazaka vahoaka maro hono e ! Manao don-tandroka fatratra mihitsy fa hoe mahazaka vahoaka amin’ny alalan’ny sehoseho ivelany sy hetsika mipoapoaka amin’ny fanakaramana artista maro be. Mety misy amin’ireo kandida matanjaka sasany no manao izany, saingy tsy any amin’izay rehetra aleha, fa ilay kandida iray izay, dia toa tsy mahazaka sy tsy mahataona olona hihaino izay ambarany raha tsy eo aloha ny mpanakanto hisintona vahoaka. Dia hotsarain’ny karatra eo amin’izay rehefa any anaty fifidianana hoe : hay kay olona hijery fety no tonga nanotrona, fa tsy olona resy lahatra handrotsa-bato. Ny don-tandroka anefa toa efa mandeha eny antsefatsefany eny fa hikorontana indray, hono, raha toa ka tsy ho lany eo satria mihevitra ny hafa ho maivana sy malemy na koa hanantena hatrany fa hahomby ny bodongerona sy ny fampiasan-kery, toy ny tany amin’ny 9 taona lasa. Tsy adala anefa ny vahoaka, ary tsy havelan’ny tarany tsy hamiratra ilay kandida nopotehina sy nohenjehina fahiny ary nolazaina fa naloham-bahoaka, izay tsy mila sehoseho ivelany samihafa fa ny vahoaka no mila azy, ary na aiza na aiza aleha, dia raisin’ny Malagasy an-kafaliana fa tsy toy ilay niseho tany amin’ny kaominina iray atsy Vakinankaratra hoe: na efa nomanina fatratra aza ny kenonkenona samihafa sy ny fanentanana nipoapoaka, dia nomen’ny maro ny lamosina, ka tsy sahy nipoitra iny kandida iray iny. Atao mahagaga ve raha manomboka maka tahaka izay ambaran’ilay iray sao mba ho resy lahatra ihany ny vahoaka ? Fantatra eny foana ny tena tompony sy ny mpaka tahaka, ary efa hatry ny ela no niavaka ny tena vary sy ny tsiparifary e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT