Tapitra ny fotoana nahafahana nandrotsaka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana depiote. Didim-pitondrana vaovao no afaka hanalavana an’iny, raha hisy an’izay ho an’izay mety mbola nisalasala.
Ho fantatra tsy ho ela ny lisitra ofisilian’ireo tena nahafeno fepetra, raha toa ka manana 48ora kosa ireo tsy nahafeno ny antontan-taratasiny hamenoana ny banga noho ny mety ho sakana, toy ny andro ratsy. Hanakoako indray izany atsy ho atsy ny fampielezan-kevitra. Handeha ny fampanantenana maro samihafa, ary mety hivaona amin’ny hoe: ataoko izatsy sy izaroa. Aoka hazava sy hotsaroana lalandava fa hanao lalàna, hanara-maso ny asan’ny governemanta, hitaky ny fanatanterahana asa sy programan’asa ataon’ny fahefana mpanatanteraka,… no isan’ny sahanin’ny solombavambahoaka ka sao ho voafitaky ny balarora eo indray. Tsy olonolom-poana hananga-tànana sy hidokadoka fanjakana araka izany no ilaina etsy Tsimbazaza fa olona afaka handon-databatra, hanaitra amin’ny tsy mety, hanery hiasa, ho arofanina, ary hanozongozona sy hanongana ny fanjakana amin’ny alalan’ny lalàna manan-kery mihitsy aza, raha izay no mahasoa ny firenena. Lojika raha manao izay ketrika mafy hahafahany mahazo ny maro an’isa afaka ny hanao eny Tompoko na “oui oui Mosie” ny fanjakana Rajoelina. Raha izay anefa no miseho eo, dia mazava be fa tsy hisy harofanina intsony eto amin’ny firenena, tsy hisy fifandanjan-kery ara-politika fa toy ny fanjakan’olon-tokana tsy refesi-mandidy fa afaka hanao izay danin’ny kibony. Halalaka ny famarotan-tanindrazana amin’ny endriny samihafa satria tsy hisy afaka hanohitra izany miainga amin’ny lalàna. Efa hita taratra io ny karazana fifanarahana mampiahiahy ataon’ny fanjakana amin’ny vahiny, ka ho tompony mangataka atiny eto no hiafaran-dRamalagasy, raha izao no mitohy. Isika mianankavy mety ho variana amin’ny fifidianana depiote, fa ny mandeha ny mandeha araka ny fetenin’ny tanora misoko miadana ihany. Azo antoka indray aloha atsy ho atsy ny tapi-maso, ny kimoramoran-drafanjakana hisintonana ny sain’ny olona hifidy ny kandidany,… Ny fampanantenana mbola hipoapoaka saingy tsy izany angamba aloha no andrasana raha ho an’ireo efa eo amin’ny familiana ny firenena fa mba tanteraho aloha izay nambara e! Aiza ho aiza ohatra ilay karama farany ambany 200 000 Ar vao tonga eo?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.