Edito

Hanaiky lembenana foana ve ?


  • Zoma 18 Novambra 2016

Be fandeferana loatra ny vahoaka Malagasy ka ataon’ny mpitondra amin’izay tiany hanaovana azy.

Resabe eny rehetra eny no betsaka ka raha ny vava sy ny resaka fanakianana ny mpitondra no nahafaty dia mety efa tsy nisy taolan-kalevina mihitsy ireo mpitondra ankehitriny izay efa tsy laitran’ny balan’ny fanakianana intsony. Vao mainka mampiseho ny hagegeny ny mpitondra satria toa lasan-ko vavany fotsiny ny vahoakany. Manaiky hambakaina sy efa manomboka manaiky hampiadiana ka dia mananararaotra toy ny banga mihomehy alina ny mpitondra efa malaza mpivarotra tanindrazana sy ny vahiny mpiray tsikombakomba aminy. Ny 95% amin’ny Malagasy angamba no nanakiana mafy io frankofonia tanterahina eto amintsika io saingy izao tanteraka izao ihany. Tsy mba nisy fitakiana ny magarahara izany tamin’ny resaka fandaniam-bolam-bahoaka sy fangatahana fanazavana antsipiriany amin’ny mety ho tombontsoa rehefa tsy maintsy hatao ihany izany. Resaka no betsaka hoe fitondrana tsy manjary, fitondrana mpivarotra tanindrazana, fitondrana mpampiesona ahiana hanaiky lembenana ihany rahefa tonga ny fifidianana ka mbola handefitra amin’ny mety ho politika maloto hahatafaverina ny mpitondra efa namotika. Mbola ho eto foana isika no horaisina raha mbola hanaiky lembenana foana e !

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT