Edito

Hampikatsoana ny fampihavanana ?


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Endrika miramirana, manala azy, mamalifaly ankizy no nahitana ny filoham-pirenena omaly alahady nandritra ny fanamarihana ny fetin’ny reny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha niaraka tamin’ireo ankizy avy amin’ny toby fitaizana zaza kambotin’ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy. Ny sabotsy

 

 

mialoha io dia nanao fanambarana miendrika fampitandremana sy fandrahonana mihitsy aza ireo be galona ao amin’ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy manoloana ireo mikasa handrodana ny filoham-pirenena na hidina an-dalambe. Rehefa nodinihana ny fomba firesak’ireo mpomba an’i Hery Rajaonarimampianina sy ny mpitandro filaminana dia efa azo sary an-tsaina ny mety ho fanapahan-kevitry ny HCC. Na ahoana na ahoana anefa dia efa ao anaty krizy indray izany i Madagasikara, tsy hita tabilao ilay fehin-kevitra 19 pejy nivoaka avy amin’ny diniky ny fampihavanam-pirenena teny amin’ny CCI Ivato. Tahaka ny mahazatra dia tsy re feo ihany koa anefa ny filankevitry ny fampihavanana malagasy, miha mahazo vahana ny fifanandrinana eo amin’ny mpanao politika. Fa tsy hatao ve izany ny fampihavanana fa dia hifanasa vangy eto indray e ? Sao dia paikady hampandamoka ilay fampihavanana mihitsy aza no anton’izao sangodim-panina izao !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT