Noraisin’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina nihaona taminy teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra ny talata lasa teo ny delegasiona avy amin’ny fikambanan’ny tanora kristianina avy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy.
Nifanandrify indrindra tamin’ny fanokanana ara-pomba ofisialy ny zaikaben’izy ireo atao any Fandriana - Fianarantsoa izany. Nandritra io fihaonana io no nanambaran’i Andry Rajoelina fa vonona hanampy ny fiangonana rehetra izy. Nialoha io dia tazana tany Antsiranana ary nanatrika ny JMJ an’ny fiangonana katolika (EKAR) ny filohan’ny tetezamita. Izy moa dia efa nanome vola 20 tapitrisa Ariary hanampiana tamin’ny fikarakarana ity JMJ ity. Raha notanterahana tany Manakara kosa anefa ny Synoda lehibe faha-17 an’ny FJKM dia tsy nandrenesana na dia fehezanteny iray momba izany aza i Andry Rajoelina ary tsy nanampy ara-bola na dia Ariary aza. Aminy angamba dia mety tsy Fiangonana tahaka ny EKAR sy ny FLM ny FJKM. Fotoan-dehibe no natrehan’ireo fiangonana telo ireo, kanefa samy hafa ny fihetsiky ny filohan’ny tetezamita tamin’izy ireo. Sa ve amin’i Andry Rajoelina dia efa olon-dRavalomanana daholo ny mpino FJKM ka tsy tokony hotohanana sy ampiana ? Ny mampanahy amin’izao fihetsika izao dia sao hisy ambadika indray ilay izy, ka atsy aoriana kely atsy dia hikorontana indray ny ao amin’ny FFKM ao !
Efa fanontaniana napetraka teto ny hoe : mbola nandeha nanatrika ny JMJ tany Antsiranana ve i Andry Rajoelina, raha toa ka tsy voafidy ho filoha lefitry ny FJKM i Marc Ravalomanana ? Dia ity misy fanontaniana iray indray manao hoe : fa inona no nahatonga ny filoha mpanorina ny Tanora Malagasy Vonona (TGV) sady filohan’ny tetezamita, hanampy ny fikambanan’ny tanora Kristianina avy amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy ? Inona indray ny paikady ao ambadik’izany ? Nialoha ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny birao foibeny moa, dia nahitana savorovoro anatiny noho ny famindran-toerana mpitandrina ny FLM, ka asa hoe mety misy fifandraisany avokoa ve izany zava-drehetra izany, sa ambara fa fifanandrifian-javatra fotsiny ? Tsy maintsy ho hita miandalana eny ihany ny tena marina. Ny faniriana dia mba tena hatahotra an’Andriamanitra marina sy mba tena mivavaka araka ny ambarany ny filohan’ny tetezamita ka tsy hanao ho fitaovana ny fiangonana na sanatria hampiady azy ireo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.