Edito

Hampiadiana sa hampihavanina ?


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Rehefa manaraka tsara ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, indrindra fa ny tontolo politika iainana amin’izao fotoana izao dia sarotra ny tsy


hahita fa toa feno endrika fifampihatsarana ivelatsihy sy fifehezana kibay an-kelika  hatrany ny fifandraisan’ireo hery politika mijoro na ny manohana ny fitondrana io na manohitra. Toa fifandrangitana lava no hita eto Antananarivo ka hatrany amin’ny faritra ary ny heno dia hoe olobe ao anaty governemanta mihitsy no mandray fanapahan-kevitra maniraka izay eo ambany fifehezany hamoaka baiko miteraka fifandirana, eny ahiana ho fifandrafiana mihitsy aza, eo amin’ny fitondrana mijoro sy ireo tsy mitovy hevitra aminy. Ho sahirana dia ho sahirana raha ny fahitana azy dieny izao sahady ireo ho lany handrafitra ilay komity hisahana ny fampihavanam-pirenena raha ho fampihavanana tena izy tokoa moa no hataon’izy ireo fa tsy sarintsariny. Hampiadiana ve isika sa hampihavanina ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT