Edito

Hamorona asa sa mpiasa ?


  • Talata 12 Septambra 2017

Ny tontolon’ny asa eto amintsika indray no nezahan’ny filoham-pirenena novoizina tamin’ny alalan’ilay fandaharany manokana amin’ny haino aman-jery tamin’ity herinandro ity.

Tanora 400.000 ka hatramin’ny 500.000 isa isan-taona raha ny tarehimarika nomen’ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa no miditra amin’ny sehatry ny asa eto amintsika, hoy izy. Sehatra tsy ara-dalàna avokoa anefa no hiasan’ny 70%-n’ireo mahita asa ary ny 15% izay tafiditra amin’ny sehatra ara-dalàna sy marin-toerana dia an-taonany maro vao tonga amin’izay. Mampahatsiahy ny nambaran’ny mpikaroka iray vao tsy ela izay nilaza fa manomboka maka toerana eto ny vahiny ny nanononan’ny filoham-pirenena manokana fa ny 48%-n’ny orinasa vahiny no manome asa. Toa midika an-kolaka io fa ilaintsika ny vahiny ka tsy tokony hokitihina. Niakatra isan-taona ny isan’ny orinasa tafajoro teto saingy mitombina ve ny filazana fa betsaka ny asa hoforonin’izy ireny raha toa ka tsy manana fahafahana hamefy tsy izaran’ireny orinasa ireny karama varimasaka amin’ny mpiasany, ohatra, ny fitondram-panjakana ? Tsy vao taona vitsy ve izany no nitranga tamina orinasa afaka haba iray ? Hitondra any amin’ny lalantsaim-pamoronana tokoa ve ny fotodrafitrasa haorina ankehitriny sy ny lalam-piofanana misy sa hamolavola ho mpiasam-bazaha ? Asa no hoforonina sa mpiasa ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT