Edito

Hambom-po diso toerana


  • Talata 26 Novambra 2019

Samy nanana ny nandraisany ny resaky ny filoham-pirenena omaly hariva tamin’ny fahitalavitra ny olom-pirenena tsirairay.

 

 

May volon-tratra ve ka tsy maintsy niditra an-tsehatra, toa nanao propagandy ankolaka? Nabaribarin’ny filoha fa mikatona ao anatin’ny rindrin’efatry ny hambom-po politika ny tenany, raha dinihina tamin’ilay fivoizana mivantana na ankolaka fa tsy afa-miara-miasa amin’ny olom-boafidy tsy mitovy hevitra aminy. Adinony ve fa Filohan’ny Malagasy rehetra izy fa tsy filohan’ny vondron’antokony ? Adinony ve fa tany demokratika sy manaja ny safidim-bahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana i Madagasikara fa tsy fanjakan’olon-tokana, ka rehefa tsy metimety aminy izay lany dia tsy hampandrosoina sy tsy hampian’ny fanjakana foibe izy sy ny vahoakany ? Olona iray na antoko ve no tsy tiana dia fahavalo hatramin’ny vahoaka mpiara-dia sy mpanohana azy ? Henjana ity resaka politika avo lenta ity, indrindra ho an’ny renivohitra, izay toa tadiavina hatao takalon’aina. Efa hatramin’izay no niainga io fifanaovana don-tandroka io, ka nisy ny mety ho tsy nahatafavoaka baolina, ary teo ny afaka nanao zavatra na nisy sakantsakana aza. Efa nisy teto toy ny zava-nisy tany amin’ny 20 taona lasa ny tahaka izany, fa nandroso ny tanàna rehefa nifanome tànana ny mpitantana ny tanàna sy ny entina. Efa nisy ihany koa izany olon’ny fitondrana nitantana fa tsy arakarak’izay ny zava-nisy. Manan-danja ny safidim-bahoaka, ka enga anie mba hahay handinika sy hamakafaka fa tsy ho diso safidy noho ny fanasana atidoha. Irariana mba ho lalao madio tokoa, ka ny safidim-bahoaka izay masina tokoa no hivoaka fa tsy sanatria ho voahitsakitsaka indray. Masina io safidy io, ka samia mahavita be amin’ny adidy, izay mila harovana e !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT