Edito

Hambom-po diso toerana !


  • Alarobia 02 Oktobra 2019

Samy milaza ho tia tanindrazana ny mpanao politika eto Madagasikara. Mambabo ny olona amin’ny fametrahana ho laharampahamehana ny tombontsoa iraisana rehefa propagandy tahaka izao.

 

 

Rehefa lany anefa avy eo, dia ny tenany ihany no fantany. Mifamingana sy mifanjinja amin’ireo mpifanandrina politika aminy no anton-draharahany. Tsy mifampihaino sy tsy mifanome tànana, fa mifamotika kanefa dia samy milaza ho tia tanindrazana izao ihany. Raha miverina amin’ny tantara isika, samy nanana ny fahadisoany ireo filoha nifanesy. Tsy azo hodian-tsy hita ihany koa anefa ny zavatra tsara tokony halaina sy mbola trandrahina avy amin’izy ireo. Izay tonga eo, dia miseho ho be hambom-po sy hanao zavatra be sy miezaka mamafa ny dian-tanan’ny teo alohany. Na efa hita izao fa ilay teo aloha nodimbiasinano tokony hatonina na hantsoina hifanome tànana amin’ny zavatra tena hita fa tsy tafavoaka, dia aleo ny firenena no mikatso, toy izay hanana fanetren-tena hifanatona. Mila mifampihaino. Ny hambom-po diso toerana no hanaovana sorona ny firenena. Tato anatin’ny 20 taona farany fotsiny, ohatra, dia nanana filoha vitsivitsy nifandimby izay samy mbola velon’aina isika. Samy nanana ny hanitra ho azy ireo na mety misy aza ny fahadisoany avy. Misy zavatra maro mbola azo trandrahina amin’izy ireo hamahana ny olan’ny firenena. Mila miombona sy mifanolo-tanana raha tena tia tanindrazana.  Sa nahasoa sy nampisondrotra ny firenena ny fifanjinjana lava teto ? Ny trano misy olobe tsy miady zaza, hoy ny fitenintsika, ka rehefa ireo lehibe lolohavina an-tampon’ny loha no mamela ny hambom-pony, dia manaraka ho azy ny ambanilanitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT