Edito

Hambom-po diso toerana !


  • Alarobia 04 Oktobra 2017

Mifanome tsiny lava eto ny samy Malagasy ary mihemotra hatrany fa tsy mba miroso ho amin’ny tsaratsara kokoa.

Lany andro mifanenjika sy manao ny kajy politikany avy ny mpanao politika, ka adino ilay adidy sy andraikitra amin’ny fikatsahana ny soa ho an’ny firenena satria ny fahefana sy ny tombontsoa no masaka an-tsaina voalohany. Fihatsarambelatsihy no tena betsaka ary  lany andro mifamingana am-pitoerana. Ny vahoaka etsy andaniny sarotra entina sy manao izay danin’ny kibony ary mitsambiki-mikipy sy tsy mitsinjo ny ampitso satria tsy misy mpamerin-doha. Tsy haintsika mihitsy ve ny mifanaraka sy mikatsaka tombontsoa iraisana, ka mba samy hanana ny anjara masoandrony sy hisitraka ny harenin’ity Madagasikara sokajiana ho tsy manam-paharoa ity ny ambanilanitra ? Ekena fa sarotra izany, saingy mila finiavana avy amin’ireo mpitondra sy olobe eto amin’ny firenena miampy ny fahendren’ny vahoaka, ka samy hamela ny hambom-po diso toerana ao aminy avy. Maro no mety hiteny sy hilaza fa rediredy ary tsy ho tanteraka izany, kanefa ho rediredy sy mety ho nofy ririnina ihany koa izany ny hivoahan’ny Malagasy ao anatin’ny gejan’ny fahantrana, raha mbola hifanosi-bohontànana hatrany isika. Tsy tongatonga ho azy ny fandrosoan’ny firenena maro, raha tsy hilaza afa-tsy i Ouganda, izay rotiky ny ady an-trano, kanefa niarina sy namiratra tao anatin’ny fotoana fohy satria namela ny hambom-po diso toerana ny vahoaka, ary niara-nisikim-ponitra hampandroso ny firenena niaraka tamin’ny mpitondra. Rahoviana ny Malagasy vao mba ho toy izany ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT