Todihana ny lasa hakana lesona sy hahafahana mibanjina ny ho avy. Andeha hiverenenana kely ary ny tantara satria mbola tsy tara angamba isika raha mahatsiahy, fa kihon-dàlana ho an’ny firenena ny datin’ny 17 martsa 2009, izay feno 11 taona katroka omaly.
Voatery nametraka fialana ny Filoha tamin’izany rehefa nihamafy ny fandrodanana azy: may ny orinasa maro be, maro ny olona maty, betsaka ny very asa,… Tolona sy revolisionina hanavotana ny firenena no novoizina tamin’izany. Moa ve tena nihatsara tokoa ny fiainan-dRamalagasy? Tsy mamendrofendro na mamoha fota-mandry, fa tena tsy tafarina mandrak’androany ny fahavarana: ara-toekarena, ara-politika, ara-kolontsaina,… Tafapetraka ny kolontsain’ny ory hava-manana, ka lasa tia mifamely sy mifamotika ny Malagasy, indrindra fa ny mpanao politika. Hita miharihary mandrak’ankehitriny izany. Mitsiriritra ny hafa no mba azontsika atao, raha handray ny fihetsiky ny Frantsay izay isan’ny fakantsika tahaka matetika. Na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-politika eo amin’ireo filoha teo aloha, dia niantso tsy nisy fisalasalana an’i Nicolas Sarkozy sy François Hollande ny Filoha Emmanuel Macron manoloana ny valanaretina coronavirus sy ny olana ara-toekarena. Mifampihaino sy mifanoro hevitra satria tombotsoa ambonin’ny firenena no jerena. Mety nanana ny fahadisoany sy ny fahalemeny ireo filoha teo aloha, fa manana ny fahaiza-manaony sy traikefany ary vahoaka ao an-damosiny, matoa tonga teo amin’io toerana farantampony io, ary misy zava-tsoa azo tovozina foana any aminy. Zary lasa sakay sy maso hatrany ny mpitondra am-perinasa sy ny nodimbiasana. Mifamotika sy mifanagadra aza no toa laharam-pahamehana voalohany. Na efa hita izao aza fa misy tsara sy mety ny hevitry ny tsy eo amin’ny fahefana, dia tsy henoina satria mpifandrina ara-politika. Ny hambo-po diso toerana no lehibe indrindra, hany ka toa diso hatrany ny laharam-pahamehana matetika. Hatreto dia mifamotika sy mifamingana hatrany na mivantana na an-kolaka, ka asa rahoviana vao mba hifamelona e?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.