Edito

Hamadi-belirano


  • Alatsinainy 26 Aprily 2021

Ny fahalalahana maneho hevitra ity tsy vitan’ny hoe mihemotra fotsiny arak’ilay filaharana nivoaka

 

 

 farany fa tsikaritra ho miofo ho fahalalahana tsy haneho hevitra mihitsy, hoy ny vazivazy zaritenany. Mpanao politika, sendika, fiarahamonim-pirenena, olon-tsotra, tsy misy tsy feno fanahiana manoloana ity fitondrana hita ho miha maneho firosoana amin’ny tsy fahazakana demokrasia ity. Mbola maha te hanamafy hatramin’izao ny fanontanian’ilay kandida ho filoham-pirenena farany teo izay hoe manana ny mpanolontsainy ve ity filoham-pirenentsika ankehitriny ity sa izy mihitsy no sarotra atoro? Mbola hanohy ny lesoka nataon’ireo filoha teo alohany rehetra amin’ny tsy fakana lesona amin’ny tantara ve? Impiry nitera-doza teto amin’ity firenena ity izany fangejana haino aman-jery izany kanefa dia izy izay isan’ny lasibatr’izany tamin’ny fotoan’androny indray ity no tsikaritra ho miha manangam-bovona hamerina izany adalana izany? Tsy mahagaga raha maro ankehitriny ny fanahiana fa hamadi-belirano hatrany mandra-pialany eo amin’ny toerany izao fitondrana mijoro izao. Ekena fa nisy ny kodiam-bato namoizana mpiray tanindrazana maro raha vao nanao ny fianianany andriamatoa filoha, efa ho 3 taona lasa izay. Nanaraka izany ny ranobe niakatra isam-paritra. Tonga indray ity ny areti-mandripaka. Mampametra-panontaniana hoe fa maninona no tao anatin’izao fitondrana izao no nitohivakana toy izany ny loza voajanahary? Anio kosa anefa na izany aza dia averina hatrany fa fiomanana mialoha amin’ny tsy ampoizina rehetra izany hetaheta hitondra fanjakana izany. Hamelona ny vahoaka Malagasy no tokony ho tanjona fototry ny filoham-pireneny sy mpitondrany fa tsy sanatria hamono azy amin’ny fomba mivantana sy an-kolaka. Sao sanatria hivadika ho “Initiative pour l’enterrement des Malagasy” na hoe tetikasa handevenana ny Malagasy, araky ny fanahiana iray izay, tokoa ilay IEM fa tsy tetikasa hanandratana ity firenena ity indray ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT