Mananontanona antsika ny korontana sy sakoroka, raha dinihina amin’ny zava-misy amin’izao fotoana.
Tsy misy ny tena fampihavanana sy ny fifampiresahana hatreto, fa dia samy manao izay saim-patany ny rehetra. Mifanenjika sy mifamingana andro aman’alina, ka ny mpitondra mila fitoniana avy ity no toa mihantsy ady amin’ny olona tokony handrantoany fihavanana. Mazava ho azy ny tanjona eo anatrehan’ny zava-misy fa ny hitondra korontana sy savorovoro eto amin’ny firenena sitrany ahay mba mihemotra ny fifidianana e ! Ny fampihavanam-pirenena moa ity tsy hita be ihany hoe avy aiza dia mizotra mankaiza ? Ny tafika izay heverina ho arofanina farany toa karazan’ny atao tsara tambitamby, ary kendrena hampiadiana amin’ny mpanao politika tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana. Toa mahalasa saina ihany koa ny fahanginan’ny mpanao politika isan-karazany izay avo vava sy nampiaka-peo tamin’ity fitondrana ity. Efa tsara karakara any ambadika any ka tampina vava ? Sa kosa miandry pitik’afo fotsiny hijapy masinina raha sanatria ka ho avy ny korontana ? Maro no miandrandra sy maniry mafy izany satria tsy ampy hery raha hanongana, tsy ho lany raha hirotsaka hofidiana, kanefa mba te hahazo seza. Hany fanantenana dia ny hitaty ran-kena sy maniry mba hisian’ny krizy sy ny korontana, satria rehefa handeha ny resaka fifandaminana, dia mba anisan’ireo hiady seza raha ho avy ilay atsoina hoe fiaraha-mitantana e ! Dia ho tonga amin’ny antsoina hoe tetezamiitatra indray ve isika sanatria sa hahay hifandamina mialoha ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.