Edito

Halavirin’ ezaka


  • Talata 25 Oktobra 2016

Milaza azy ho efa miezaka ny hametraka amin’ny toerany ny teny Malagasy avokoa izay nanontaniana tetsy Analakely, io omaly io, tao anatin’ny fankalazana ny herinandron’ny fikambanana mpiangaly haisoratra iray.

Nisy ny nanakiana mafy ny fanjakazakan’ny teny Frantsay ao anatin’ny taratasim-panjakana isan-karazany, toy ny lalàna sy ireo fehezan-dalàna isan-karazany, izay heverina fa ain-dehibe ny firenena iray. Tsy mahagaga moa raha manara-drenirano io fomba fanao manjanan-tsaina, araka ny filazan’ireto mpitsikera io, ireo sehatra tsy miankina satria ny mpitari-bato mihitsy no efa mivilam-bava. Gaga, hoy ny jeneraly iray, ny olona voampanga fa tamin’ny tenyMala gasy no nanadihadiana azy kanefa avy eo mivoaka ny didim-pitsarana dia teny Frantsay tsy misy zava-pantany no henony. Menatr’olona ny tenako, hoy izy, raha voahoraka fa nilaza hoe : telo ny tenim-pirenena ofisisaly ao anatin’ny lalàm-panorenanay dia ny Frantsay sy Anglisy ary Malagasy. Tenim-pirenen’olona ve, hoy izy ireo, no anareo ? Raha mbola ny tenim-panjanahana foana no indraindrainareo dia ho voazanaka mandrakizay ianareo. Ny tenim-pirenen’ny mpanjanaka anay, hoy izy ireo, no nialanay voalohany ka nahatonga anay handroso tahaka izao. Mbola lavitr’ezaka tokoa ve ny fanomezan-danja ny tenim-pirenentsika ao anaty taratasim-panjakana sa… halavirin’ezaka?

Faralahimatoa 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT