Edito

Halatra manara-penitra


  • Talata 02 Oktobra 2012

Tena mampieritreritra ny tatitra avy amin'ny Tahirim-bolam-panjakana (Trésor), izay milaza fa nanomboka tamin'ny 2009, dia vola 15 miliara Ariary isan-taona no ividianana fitaovana sy kojakoja informatika.

 Rehefa natao ny kajy dia solosaina 7500 no tokony ho azo avy amin'io volabe io, izany hoe solosaina 250 isaky ny ministera. Iaraha-mahita anefa fa tsizarizary ireo solosaina ampiasaina eny amin'ny ankamaroan'ireo ministera. Koa natao inona marina izany ny vola nambara fa nividianana solosaina ? Fanabontsinana faktiora tsotra izao no misy, araka izany, ary tena misy ny fangalarana na fanodinkodinana ny volam-panjakana. Tsy olon-kafa fa ireo izay mahalala tsara ny famoahana ny volam-panjakana ihany, no manao ity halatra manara-penitra ity. Ankoatra izay, nilaza ny avy ao amin'ny Tahirim-bolam-panjakana fa tsy ny fampiasam-bola hanaovana tetikasa akory no mampidangana ny vola anin'ny fanjakana, fa ny vola hiasana sy hihodinan'ny ministera sy ireo sampandraharaham-panjakana maro samihafa ary ireo andrim-panjakana. Raha tsorina dia mandany volabe, kanefa tsy dia mahavita asa mivaingana akory ny fitondrana tetezamita. Misy antony matoa mamoaka tatitra fanairana tahaka izao ny Tahirim-bolam-panjakana. Mety efa mahatsapa ny tompon'andraikitra ao fa gaboraraka loatra ny famoahana ny volam-panjakana, kanefa tsy mazava mihitsy ny handaniana marina ny vola. Efa nisy ihany fotoana nampanao fanadihadiana manokana ny IGE (Inspection Générale de l'Etat) momba ny fandaniam-bola eo anivon'ny prezidansa sy ministera vitsivitsy, ny filohan'ny tetezamita, saingy tsy fantatra mazava izay vokany. Ny hita aloha hatramin'izao dia misy manodina ny volam-bahoaka ary volabe izy io. Raha 15 miliara Ariary isan-taona nanomboka tamin'ny 2009 izany dia manome 60 miliara Ariary hatramin'izao 2012 izao.

Betsaka ny zavatra azo atao amin'izany, toy ny fandoavan'ny fanjakana ny antsasaky ny fitakian'ny SEMPAMA io 60 miliara Ariary io. Araka ny fanazavana avy eny amin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena mantsy dia 120 miliara Ariary ny totaliben'ny fitakian'ny SEMPAMA raha tanterahana. Nilaza fa tsy manana an'io vola io ny fanjakana, kanefa 15 miliara Ariary isan-taona no tsy hita popoka izay nalehany. Misy fomba fangalarana manara-penitra ny volam-panjakana koa any ambadimbadika any, ary mety mbola mihoatra lavitra an'io no lasan-dry zalahy ! Raha izao no mitohy dia ho tompondakan'ny trafika sy ny fanodinkodinana volam-panjakana ity tetezamitan-dRajoelina ity, ary hitana ny laharana voalohany ihany koa amin'ny fampanofana na famarotana tany amin'ny vahiny, miampy ny fanomezan-dalana ny vahiny hitrandraka harena ankibon'ny tany eto.

Tsy tantara noforonina izany fa zava-misy, ary tany am-boalohany dia efa tsinjo fa mifototra amin'ny fitiavam-bola ity tetezamita ity, satria volabe no nampiasaina mba handrodanana an'i Marc Ravalomanana. Izay nanome dia tsy maintsy mba mamerina ny volany, ireo nahazo fahefana moa dia mety manarampo amin'ny fangoronan-karena, ka ny volam-panjakana no ampiasaina hanaovana bizna etsy sy eroa, hampitomboana ny haren'ny tena manokana. Ka inona no fanovana amin'izany e ? Sa ve niova ho nitombo isa ny mpangalatra volam-panjakana e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT