Edito

Hakiviana.com


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Hita ho miha mirongatra ankehitriny ireo adala na eny an-dalambe na eny an-tsena eny na dia efa vanim-potoanan’ny ririnina aza izao.


Mafy ny fiainana. Miha sahirana hatrany ny vahoaka manoloana ireo vidin-javatra ilaina amin’ny andavanandro tsy mitsaha-miaka-bidy. Mitady hanampy trotraka izany koa ankehitriny ny fiakaran’ny vidin-tsolika sy saram-pitaterana mandindona satria akaiky ny fiandohan’ny volana vaovao. Ankavitsiana amin’ny gasy angamba sisa no tsy tafaroboka ao anatin’ny hakiviana. Raha sanatria hisokatra ny tambajotra sosialy hamondronana ireo olom-pirenena sahy milaza fa kivy amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao dia azo antoka 90% fa ho be mpitsidika tokoa ny tambajotra hakiviana.com. Maro ireo fanambarana mila hahalasa adala nitranga tato ho ato izay ary saika samy niantso ny vahoaka hanara-dia azy daholo izy ireny. Teo ny manohitra ny fanatontosana fifidianana ary eo koa ireo milaza ho maika hanao izany sady manararaotra manolotra kandida ihany. Tsaroana ny tenin’ilay mpanao politika iray izay hoe azo antoka fa hihoatra ny 33 ary tsy ho latsaky ny 50 ireo kandida ho filoham-pirenena amin’ity taona ity. Na ny maheno izany fotsiny aza ve nefa tsy efa hampihorina ny hodi-doha ? Mahakivy ny mandre fa maro ihany koa ny Malagasy manam-bola sahy manipy vola eny am-baravarankely hilatsahana filoham-pirenena. Sady misy tsy hahaverim-bola akory anefa izy ireny no tsy nisy fiantraikany tamin’ny fivoaran’ny fiarahamonina misy azy ny fandanilaniam-poanany. Mahakivy tanteraka !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT