Haka rivotra indray!

Na inona na inona mitranga, na


  • Alatsinainy 23 Desambra 2024

faran’ny mahantra ny firenena, na faran’ny maloto

aza ny tanàna dia ny hoe haka rivotra indray aloha izany izao no voizina ho atao manoloana ireo olana maro samihafa eto amin’ity firenena ity! Ho an’ny finoana Kristianina tokoa, izay heverina fa mbola maro an’isa eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, dia vanin’andro fety isika ankehitriny. Eo ny fankalazàna ny nahaterahan’ny mpamonjy na ny Krismasy fa eo koa ny famaranana ny taona sy ny fankalazàna ny taom-baovao izay efa hoavy tsy hoela intsony. Amin’ny lafiny mahafaobe na hoe «universel» ihany koa amin’ny alalan’ny tetiandro gregorianina dia ny 1 janoary 2025 izao no hanomboka ny antsoina hoe taona vaovao. Sarotra ho an’ny zanak’olombelona tokoa angamba ny tsy hankalaza izany na ho an’ny firenena faran’izay mandroso io na ho an’ny firenena faran’izay mahantra saingy na izany na tsy izany aza dia fanontaniana manitikitika teto foana hatramin’izay, indrindra, moa amin’izao fotoana ahitàna fa mihoampampana izao ny olana misy eto amin’ny firenena, ny hoe mandry ve ny sain’ireo mpitondra sy izay tomponandraikitra voalohany tokony hamaha ny olana rehetra eto amin’ity firenena ity hoe andeha hiala sasatra aloha kanefa ny olana eto amin’ilay firenena io tsy takona afenina io intsony fa miharihary toy ny tafika andrefan-tanàna manerana izao tontolo izao, hoy ny fomba fiteny izay? Dia tena tsy mety mihitsy ve raha tsy hoe raha mba tonga ny fety vao miato kely, amin’io fety 2 sosona sady goavana be izao no miandry? Fanontaniana mipetraka tsy nipoirana valiny mazava hatramin’izay izany ary mbola tsy mety misy manome valiny tena mazava mikasika izany izay tena voakasiny mandrak’androany fa dia haka rivotra indray aloha, hono, izany! Haka rivotra indray!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT