« Sorena kely aho miresaka aminareo androany, mba tsy hitenenako hoe sorena be” Ampahan-tenin` ny Filoha Rajoelina raha nanatrika ny fanaovana fitiliana faobe ny tsimokaretina COVID-19 tany Toamasina ny 07 mey lasa teo
manoloana ny fiakarana be ny isan` ny olona voamarina fa mitondra an` io tsimokaretina io. Raha ny zava-misy amin` izao dia mbola be ny goragora amin` ny fanajana an` ireo fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fanjakana hoentina misoroka ny fiparitahan` ny valanaretina eto Madagasikara. Na dia misotro tambavy COVID Organics aza dia afaka tratry ny aretina foana raha tsy manaraka ireo fepetra voalohany amin` ny fisorohana ny aretina toy ny fanajana ny elanelana iray metatra, fanaovana aro vava, fanasana tanana amin` ny savony, fanampenana amin` ny sandry ny orona rehefa mikoaka na mievona…. Nanambara izany moa ny Pr Rafatro, raha nitafa fohy tamin` ny mpanao gazety. “Ny fanafody voalohany iadiana amin` ny covid-19 dia ny fanajàna ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny elanelana iray metatra, fanaovana aron-vava. Ny CVO dia manampy ireo hery fiarovana ihany”. Mbola nanamafy ny tokony hanajàna ny fepetra ara-pahasalamana ny Pr Vololontiana Hanta omaly nandritry ny tatitra avy amin` ny CCO COVID-19. Mety hahavery an-javony an` ireo ezaka vita teo aloha raha mitohy ny tsy fanarahana an` ireo toromarika napetraka. Marina fa manana adidy hiahy ny vahoaka ny fanjakana, fa ny tsirairay kosa dia mila manaja lalàna sy manaja ireo toromarika..izany no antsoina hoe olom-pirenena vanona sy tompon’andraikitra fa tsy sanatria zazakely mila ambenana sy bedesina lava.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.