Edito

Haizim-pito


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Tao anaty haizim-pito nandrenesana antsoantso, hoy ilay hira efa ela. Eny, Anaty haizim-pito ara-bakiteny tokoa ny firenena ankehitriny ary miha miditra lalina amin'izany.

Somary nankarary sofina ihany ny naheno filohana antoko politika iray nilaza omaly izay hoe na ny any amin'ireo firenen-dehibe aza efa manomboka misy delestazy. Fampiomanana sa filazana an-kolaka ny malagasy ve izany hoe aza mitabataba mikasika an'io intsony ianareo fa efa tsy misy fika intsony ity? Tsy misy vahaolana intsony? Tononkira nikasika ny zava-misy tamin'ny 1947 moa ilay nolazaina tetsy aloha teo saingy ny mampalahelo dia ny mbola fitohizan'izany haizim-pito handrenesana antsoantso izany hatramin'izao taona 2022 izao. Isan'andro ianao tsy maintsy maheno na mahita eny amin'ny tambazotran-tseraserara hoe "O ry JIRAMA ô! Sao dia efa tsy rariny intsony?". Ny JIRAMA foana no mahazo ny tsiny fa ny fitondram-panjakana sy ny minisitera tomponandraikitra inona no ataony? Na vidin-tsolika eo amin'ny sehatra iraisampirenena midina na inona tranga miabo hafa eo amin'ny sehatra iraisampirenena dia ny eto ny omaly foana ihany no anio na loza lavitra aza. Izao vokatry ny Covid 19 sy ady atsy Okrainina izao foana no atao litania.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT