Edito

Haingo ambony tsikoko indray?


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Nafana ny adihevitra tamin’ilay raharaha fitifirana olona voalaza fa jiolahy, ka samy nanana ny nambarany ny tsirairay.

Samy manana ny heveriny ho rariny sy ny hitsiny ihany koa. Porofo iray ireny ahahafaha-milaza, fa tsy mipetraka na tsy voafehy ny atao hoe tany tan-dalàna, ary manjavozavo ny lalàna matoa samy mandrirotra amin’izay hitiavany azy sy metimety aminy eny. Tsy tena mipetraka ihany koa ny fahefam-panjakana, ka tsy afaka mifehy ny fiarahamonina sy ny firenena, hany ka ny politikan’ny famonoana afo sisa ady eo. Toa tsy misy zavatra mandeha eto, fa toa miaina amin’ny kisendrasendra, mifototra amin’ny kifetifety, ary mampanantena tsy misy amin’ny kilaingalainga,… Betsaka ny zavatra ambara fa hatao, ary saika izay aleha mahazo fampanantenana avokoa, kanefa hoy ilay mpanohana nahafatra-po ny filoha hoe: ajanony hatreo aloha ny fampanantenana dia aseho amin’izay ny fa tena vita. Ho adino hatrany izay olana mianjady, fa ny zava-dehibe izao, dia ny fitsenana vahiny indray aloha. Any mety hahazoana doka? Tsara ary mendrika ny ezaka, fa kosa mba tokony hovaina amin’izay ity politikan’ny mpihaingo ambony tsikoko ity. Hatsaraina sy diovina ny tanàna fa handalo ny vahiny, fa avy eo atao fahirano, tsy taomina ny fako,… Sao dia mba efa tokony hovaina ilay fijery fa hahazo haim-panahy vaovao e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT