Edito

Haingam-pandeha nefa tara lava !


  • Alatsinainy 07 Jona 2010


Mihitsoka tanteraka ny lamasinina haingam-pandeha, nivezivezy tetsy sy teroa, nanova, nanampy, nanala, nanenjika, namoaka izao karazana kiririoka sy kipantsona rehetra izao, saingy tsy naharesy lahatra ny olona ary tsy nahasintona mpandeha  firy. Soa ihany fa mbola nisy ireo mpiara-mitolona mafana fo no sady jamban’ny fankahalana ny teo aloha sy ny fitiavam-bola diso tafahoatra, ka mba nisy mpitaingina vitsivitsy ihany fa tsy nandeha poak’aty ilay lamasinina. Dia efa dedaka aok’izany indray amin’izao fotoana ny iray lamasinina fa hoe fety be, hono, ny amin’ny 26 jona, atao daholo izao fihetsiketsehana rehetra izao mba hisintonana ny olona, saingy leom-boan’anana ka tsy tia zava-boribory intsony ny zana-bahoaka. 

Tazan-davitra no ataon’ny maro fa tsy misy miditra ao amin’ny lagara akory. Ny andrasan’ny rehetra izao dia ny hoe rahoviana indray no hiova hevitra ka hiverin-dalana na hivily lalan-kafa ny mpitondra ity lamasinina haingam-pandeha tsy mety tonga no sady tara lava ity ? Efa im-betsaka ihany mantsy no niovaova ny zotran’izy ity, ka mety ho izay angamba no antony tsy mety ahatongavany any amin’ny gara mihitsy. Ny olona rehetra avy amin’ny vazan-tany efatra efa mamerimberina foana fa diso lalana io lamasinina io, saingy tsy te hahalala ary tena manao be marenina ny iray lamasinina. Ny mampanahy ny rehetra dia mety tafatsoaka amin’ny lalany ihany any amin’ny farany ary hivarina any an-kady ity lamasinina mirifadrifatra tsy fantatra hoe ho aiza marina ity. Fa na izany aza dia mbola manantena ihany ny maro fa handray fanapahan-kevitra mba voadinika lalina sy nisaintsainana tsara amin’izay ny mpamily ny lamasinina fa tsy hiridana ka tsy tana lava tahaka izao.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT