Edito

Hahay mailo tokoa anie !


  • Talata 02 Oktobra 2018

6 andro sisa dia ho tonga indray ny “fety”. Fety tokoa moa izany, araka ny filazan’ny mpanao politika sasany azy. 1 volana mety hahazoana vola sy hena ary fitafy “isan-karazany” amin’ireo “malalatanana mandalo” indray.

 

 Ny hirariana amin’ny vahoaka Malagasy rehetra dia ny hoe enga anie mba ho mailo amin’izay ! Hahay mailo tokoa anie! Tsy voalohany amin’ny fisiana fizarana nofon-kena lazaina ho mitam-pihavanana akory ity na T Shirt, raha toa ka mbola ho maro ireo kandida hanao izay. Efa maro ireo lesona nipetraka navelan’izay tantaram-pirenena tanaty repoblika niisa 4 izay. Mety misy ireo mahatsiaro tena fa nety taminy ny zava-niseho rehetra nandalo saingy ny azo antoka aloha dia maro lavitra noho izy ireo no nahatsiaro tena voafitaka tanteraka ary notapena-maso tamin’ireny zava-nandalo ireny ka mbola iverenana irariana indray hoe hahay mailo tokoa anie ! Hira fanevana antoko politika ela nihetezana iray niredona omaly no nahenoana matetika io hafatra hoe mba mailo io. Mbola maro amintsika no mahatsiaro tena ho voafitak’ireo mpanao politika nampanantena na dia efa tamin’ny 30 taona lasa aza no niforonan’ny hira toy izany. Nolazain’ilay hira fa “Afaka ny tany. Ny vahoaka koa nivoatra. Leon’ny tomany. Hainy ny mitroatra.” Mahay mitroatra tokoa ve isika raha nitolona ankehitriny ? Fitroarana nitondra soa sa maika nandetika tany amin’ny lalina no vita ? Fivoarana nitondra mankaiza no niseho ary afaka tokoa ve isika tao anatin’izay tolona marobe izay ? Maro ny safidy saingy hoe samia… mailo amin’izay !

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT