Edito

Hafanaina sa hampangatsiahana ?


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Tsy mafana akory ny toe-draharaham-pirenena fa hafanaina, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika iray izay.


 Mahagaga ihany ny mbola ahenoana filazana tahaka izany amin’izao zava-mitranga efa hitam-poko hitam-pirenena izao fa tsy mbola mety tafarina ny toe-draharaham-pirenena ary miha lalina ny fahantrana iainan’ny vahoaka saingy noho ny harerahany no tsy mbola mampiteny azy. Ny mpanolotsain’ny praiminisitra izao mihitsy no sahy nilaza omaly fa te hitroatra handoro ireo manampahefana voatonontonony ho manana fifandrohizana amin’ny raharaha mikasika ny toeram-pitrandrahana ao Ilakaka ao ny vahoaka any an-toerana ankehitriny saingy mbola vitany aloha ny nandamina azy. Efa hatramin’ny fiandohan’ity fitondrana ity no isan’andro ny fitsaram-bahoaka. Hatramina mpanjaka aza dia niaraha-nahita fa namoy ny ainy koa. Romotra amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fidangan’ny vidim-piainana ny olom-pirenena. Romotra amin’ny fahitany fa mbola afa-bela ny tsy maty manota. Na dia ireo fotsiny aza ve dia mbola sahin’ny sasany ny milaza fa hafanain’ny mpanao gazety sy mpanao politika ny raharaham-pirenena ? Sao dia ny fitondrana no miezaka mamono afo hampangatsiaka azy ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT