Edito

Hafakely


  • Talata 27 Febroary 2018

Nalaza ho firenena hafakely efa hatry ny ela i Madagasikara. Naha hafakely azy fahizay ny hakanton’ny natiora ao aminy.


 Ireo biby sy zava-maniry tsy misy afa-tsy eto, ny kolontsainy, ny fomba amam-panao, eny hatramin’ny rafi-piarahamonina nitsaran’izao tontolo izao fa nosy feno olon-kendry mihitsy aza isika dia samy nampiavaka ity tanindrazana malala ity avokoa. Isika rehetra anefa samy mahagaga fa maharaka avokoa hoe miha mitotongana ny fiainantsika mandavan-taona saingy hafakely ihany koa ilay fihetsika tsy rototra amin’ny zava-doza efa manao sesilany. Tamin’ny faha Ntaolo dia zavatra tsara sy mampitsiriritra hatrany no nampiavaka ny vahoaka sy ny fiarahamonina teto. Ankehitriny, eto ihany no misy izany hoe ny vavahadin’ny firenena mihitsy sy ny trano fandraisana ireo vahiny ao anatiny no dibo-drano “maloto”. Teto ihany no nisy an’izany hoe lalàmpanorenana nolaniana tamin’ny karnem-pokontany. Am-polony amina solombavambahoaka an-jantony no nandany lalàna 1 hiankinan’ny ain’ny firenena fa dia mbola nekena hatrany. Amin’io, andininy efa ho an-jatony maro saingy andro vitsy no handaniana azy. Ny mahagaga dia mahavita fihetsika hafakely ihany ny sasany amintsika rehefa tena ny marary no voakitika. Hita teny Andohatapenaka izany afakomaly. Hiandry ny tranga toy izany hatrany ve vao handray andraikitra ? Hafakely mihitsy isika e !

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT