Edito

Hafainganana mankaiza ?


  • Alarobia 22 Febroary 2023

Mahery vaika ity ny rivodoza. Manana hafainganam-pandeha izay azo lazaina hoe tsy niova, 35km isan’ora eo hatrany moa no voalaza.

Ny angatahana mafy amin’ny Mpahary dia ny mba tsy handravan’izany ny firenena ka hahasasa-miarina azy hatrany indray raha toa ka mbola tsy voatsabo akory ny takaitra navelan’ireo rivodoza hafa teo aloha. Etsy ankilany koa dia resahana matetika ny hafainganam-pandehan’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny. Izay minisitra na tomponandraikitra nesorina tamin’ny toerany rehetra dia lazaina fa tsy maharaka ny hafainganam-pandehany izao foana. Hafainganana mankaiza anefa na ny marimarina kokoa dia ny hoe hafainganam-pandeha mitondra mankaiza? “Rien ne sert de courir, il faut partir à temps.’’ na koa hoe tsy misy antony tokony hiazakazahana fa zava-dehibe ny miainga ara-potoana, hoy ny leson-drizareo frantsay izay rehefa nandinika ny lovan-tsofina momba ny hazakazaky ny bitro sy ny sokatra notantarain’I La Fontaine. “Tonga miaraka dia fanombohana, miasa miaraka no fahombiazana”, hoy kosa ny nandikan’ny filoham-pirenena malagasy teo aloha ny teny filamatr’ilay mpandraharaha amerikanina, Henry Ford. Tsy ny fihazakazahana fotsiny amin’izao, noho izany, no mitondra vokatra fa ny fananana stratejia sy fomba fiasa mirindra aloha. Mety tsy ilaina akory aza izay mihazakazaka izay rehefa maty paika ny fomba fiasa arahana ahatongavana amina tanjona na vokatra iray. Reraky ny mihazakazaka eo fotsiny. Tsy mila tadiavina akory ny porofo mikasika izany, raha ny momba an’I Madagasikara manokana, fa io iaraha-mahita miharihary io ny firenentsika izay mbola tafalatsaka lalina anaty fahasahiranana sy isany mahatra indrindra eto ambonin’ny tany io na dia lazaina ho manana hafainganam-pandeha tsy misy toa azy aza ilay filoham-pireneny.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT