Hafahafa! Izay no azo amehezana ny zava-niseho nifanesisesy teto amin’ny firenena tato ho ato.
Na ny teo amin’ny lafiny politika io na ny hita tamin’ireo trangam-piarahamonina samy hafa dia toa milaza zavatra izay tsy takatry ny saina avokoa fa tonga amin’ilay filazan-dry zareo mpandinika hoe misy hifandraisany amin’ny tontolon’ny fanahy tsy taka-maso any. Ozona ve sa fandraikirekena, hoy ilay hira izay, fa toa loza atsy, loza aroa. Izany hatrany izao no saika nitranga raha vao nandray ny fitondrany tamin’ny fomba ofisialy ny taona 2013 ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampionona, noho nankanty amin’ity loza nahatsiravina tao Ankazobe ity. Sao mba efa fambara ka tokony handraisan’ny tsirairay ny andraikitra izay tandrify azy avy ? Volana vitsy izay no lasa dia ben’ny tanàna no lasibatry ny asan-dahalo sy jiolahy miampy vono olona. Izay tsiahivina fa avy amin’ny antoko TIM sy Mapar. Tato ho ato indray dia ireo mpiara-miasa tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, 2 lahy no nisy namono. Fifandrifian-javatra fotsiny ve sa inona ? Mahalasa saina satria..hafahafa ihany a.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.