Edito

Hafahafa


  • Alarobia 09 Septambra 2015

Niaka-dapa ireo kilonga mpianatra mendrika tamin’ny fanadinana CEPE sy BEPC avy any amin’ny Distrikan’i Lalangina.


 Deraina ny ezaka, hampirisika bebe kokoa hilofo hatrany amin’ny fianarana izany, raha tsy hoe ho kivy mahita ny fahoriana manjo ny zokin’izy ireo eny amin’ny anjerimanontolo. Mibalady fotsiny efa roa volana izao ny mpianatra eny, nefa mba maniry hianatra sy mba hahazo fankasitrahana noho ny fahombiazany koa, nefa toa tsy misy mpihevitra. Toto vodi-basy miampy lakrymôzena ary fandrahonana horoahina indray aza no setriny raha mba mitaky ny zony hianatra ny tanora. Ireo efa am-perinasa indray moa dia ireny mitranga eny anivon’ny Jirama ireny ny santionany. Atosika ho eny an-dalambe indray izao ny mpiasa raha te hanao grevy, izay zo omen’ny lalàna azy. Hafahafa mihitsy ny eto e !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT