Edito

Hafahafa


  • Alarobia 29 Jolay 2015

Olana tsy mbola voavaha hatramin’izao ny an’ny mpiasan’ny fananan-tany, dia io fa miampy ny an’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite indray.

 Tsy manaiky ny vahaolana peta-toko naroson’ny fanjakana ny Seces ka hanamafy ny fitokonany, tandindomin-doza noho izany ny fanadinana bakalorea sy ny taom-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo.Mahoraka be ny resaka hala-bato ary voatonona ho tompon’antoka amin’izany ny antokon’ny fitondrana, ireo mpitondra moa dia efa tsy misy menatra intsony nampiasa ny fahefam-panjakana hanaovana fampielezan-kevitra ; nampandeferina mihitsy aloha ny fitantanana ny firenena, tsy nisy ny fivorian’ny governemanta efa ho roa herinandro mahery izao ; tsy maintsy mandresy hono ny HVM, asa ….mety izany angamba no antony namoronana kaominina vaovao 149 satria raha ny hita sy tsapa ary re amin’ny resaky ny olona aloha dia sarotra ho an’ity antokon’ny fitondrana ity ny hahazo ny maro an’isa amin’io fifidianana kaominaly io e !Saingy eto Madagasikara moa hafahafa izay ihany ka ao anatin’ny indray mipi-maso monja dia mety hivadika fotsy ny mainty.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT