Edito

Hafa kely !


  • Zoma 25 Jona 2010


Hafa kely tokoa ary miavaka tamin’ny fety rehetra natrehana tamin’ny taona rehetra nifandimby tany aloha ny 26 jona, jaobily faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena amin’ity 2010 ity. Na eo amin’ny lafiny fanomanana izany, na eo amin’ny tetibola holaniana, na koa eo amin’ny ireo tranga hafakely miseho eny an-tsefatsefany eny. Ka eo amin’izay indrindra dia ny zava-nisy nitranga tamin’ity herinandro ity no ndeha hiverenana kely. Nosinganina izy ireto satria, mahavaka ny saina ihany hoe fifanandrifian-javatra ve sa fambara inona ? Tratra tatsy amin’ny nosy Kaomoro, izay efa mivoatra sy manana fari-piainana tsara kokoa noho isika Malagasy amin’izao fotoana, ny hazo «bois de rose» na bolabola milanja 300 taonina. Delegasionina mafonja notarihan’ny praiministra no tonga tany an-toerana nifampiraharaha tamin’ireo manampahefana kaomorianina ka raikitra fa hampodiana eto an-tanindrazana ireto «bois de rose» tafaporitsaka avy ao Mananara Avaratra ireto. Hisy ny tatsambo Malagasy halefa any sy miaramila hiambina ny fitaterana ireto entana sarobidy ireto. Toa hoe miaramila dimy, hono, no hanao izany, izany hoe vitsy noho ireo manampahefana nifampiraharaha tany an-toerana. Manaraka izay dia nandona ary nahafaty olona tetsy Antanimena ny be moto mpisava lalana ny fiaran’ny filohan’ny FAT, nodimandry koa ilay nitondra ny moto.

Naneho ny fiaraha-miory tamin’ny fianakaviana ny teo anivon’ny fiadidiana ny FAT no sady nampatsiahy fa ny olona no tokony hitandrina amin’ny manaraka ka tsy tokony hisangisangy rehefa mandalo ny fiara mitondra ny filoha. Manaraka izay dia tsy tanteraka ny alarobia teo ny fitokanana ilay tsangambaton’ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena, satria toa hoe simba ilay izy ka nirodana. Efa saika ho avy teny Anosy mihitsy anefa tamin’io andro io i Andry Rajoelina, ary efa naparitaka tamin’ny filazam-baovao maro samihafa fa ho tapaka ny lalana manodidina an’Anosy. Tamin’io andro io indrindra no saika hanatanterahana ny fitsarana ny raharaha 7 febroary, saingy nahemotra amin’ny fotoana manaraka indray izany. Ho an’ny maro dia efa karazana fambara hafahafa ho an’ny mpitondra ankehitriny izany, satria tsy mbola nisy mihitsy ny tsy fahatomombanana sy zavatra hafahafa nitranga tahaka izany, tamin’ireo fetim-pirenena sy ny filoham-pirenena rehetra nifandimby teto. Mety mbola hisy kadoany kely aza izany rehetra izany aorian’ny fety satria mety hisondrotra, hono, ny vidin’ny solika. Tena hafa kely tokoa ka ! 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT