Edito

Hafa ihany i Dada


  • Alarobia 12 Desambra 2012

Feno 63 taona katroka amin’ity anio ity ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay mbola mialokaloka any Afrika Atsimo hatramin’izao.

 Tsy manadino azy ireo mpanara-dia azy eto an-toerana na dia mifanalavitra aza ny toerana, koa hanana ny fomba hanamarihana ity 12 desambra ity ireo Zanak’i Dada. Efa in-telo misesy izay no tsy afaka nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany teto Madagasikara Atoa Marc Ravalomanana, tsy mbola maty na mitsilopilopy anefa ny fanantenany sy ireo mpiara-dia aminy fa tsy maintsy hihaona indray ny tia sy ny manina, ary raha ny fahitana ilay fehin-kevitry ny SADC farany teo dia mety tsy ho ela intsony izany. Anisan’ireo Malagasy afaka nihoatra sy nivoatra teo amin’ny fiainana i Marc Ravalomanana, ary azo atao mihitsy hoe tahaka ny nofinofy izany ny fiainany. Samy miaiky koa ny maro fa henjana teo amin’ny sehatry ny fandraharahana izany Marc Ravalomanana izany, ary na ny vahiny aza dia niaiky azy mihitsy.

Raha samy mpitondra indray dia niavaka koa izy, satria nahavita nanorina sy nanangana, ka dia nisy mihitsy moa ny naka tahaka tsotra izao, izany. Asa goavambe efa natombok’i Marc Ravalomanana teto, ny fanovana ny toe-tsaina na ho an’ny vahoaka io na ho an’ny mpitondra, sy ho an’izay rehetra monina eto Madagasikara. Izy mantsy dia resy lahatra fa mifototra amin’ny toe-tsaina ny zava-drehetra, ka tsy ho tafarina sy handroso mihitsy ity Madagasikara ity raha toa ka tsy vonona amin’izany ny sain’ny Malagasy, ary vonona ny hanitsy ny fomba fijeriny sy ny fahazaran-dratsiny.

Fiteniny matetika ny hoe : tsy voatery ho ny vazaha foana no hametsy antsika, fa aleo ireo mba ampiasaintsika koa e ! Kapoakako ny fifampiraharahana na “négociation”, hoy i Marc Ravalomanana izay, ary tena voaporofo mihitsy izao fa mafy be ny hetsika fandresen-dahatra nataon’ity filoha teo aloha ity eto an-toerana sy any ivelany matoa izy tena mbola tsy tafiditra garazy, tahaka ireo filoha afrikanina rehetra naongana. Tena fahadisoan-kevitra ny fihevitry ny olona sasany, fa efa izay no vita ho an’i Marc Ravalomanana ary heverina fa tsy tena mbola mahafantatra azy tsara ny olona miteny izany. 63 taona izao ity filoha teo aloha ity, hita fa tena mbola salama sy matanjaka tsara izy, ary raha mitantana firenena dia mety mbola mahavita “mandat” roa mihitsy. Amin’ny saina tsy miangatra koa no ilazana etoana fa tsy misy na dia iray aza amin’ireo mpitondra ao anatin’ny tetezamita sy ireo mpanao politika be vava ireo, afaka milahatra amin’i Marc Ravalomanana eo amin’ny resaka fitantanana firenena, fahavonona sy fahasahiana ara-politika, fifandraisana amin’ny any ivelany ary fahafantarana an’i Madagasikara. Fantatr’izy ireo tsara izany, ka izay no anton’izao sinema rehetra izao hanakanana ny fiverenan’i

Dada e !

 

RTT 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT